Socio-eco

GEFP-FMFP: Nanokana vola hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasa malagasy amin’ny sehatrin’ny lamba fitafy sy akanjo ary ny asa tanana


Mpiasa anarivony eny anivon’ny orinasa afakahaba misehatra amin’ny famokarana lamba fitafy, akanjo ary kojakoja  sy mpanao asa tanana mbola amin’ny sehatra tsy ara-dalàna no nahazo fiofanana nandritra ny vanim-potoanan’ny Covid-19. Karazam-piofanana momba ny asa tena mila fitandremana be: « patronnier gradeur», «agent de méthode», «chef de chaîne» no natao tamin’izany. Nomena fiofanana  momba ny lalànan’ny asa, ny fitsipika mifehy ny fiahiana ara-tsosialy, ny fanajana ny fifanarahana  iraisan’ny orinasa, ny fandrindrana ny asa ihany koa ny delegen’ny mpiasa miisa 160. Mpiasa 276 no niofana momba ny  teny anglisy, 140 momba ny informatika ary 124 momba ny fenitra ara-pahasalamana.  Raha ny lafin’ny asa tanana dia mpanao asa tanana 288 nahazo fiofanana momba ny fandokoana ireo akora ilaina amin’ny fanaovana taozavatra,  toy ny rofia, taretra amin’ny  alalan’ny loko natoraly, toy ny hoditra tongolobe, tamotamo, dingadingana. Mpisitraka 242 niofana momba ny fitsirihana ara-kalitao  ary 36 momba ny «machiniste».  1093 raha atambatra ny isan’ireo mpisitraka ny  INP. Ny volana aprily 2021 ny tetikasa no nanomboka ary nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny 14 aprily 2023.

Tombontsoa ho an’ny mpiasa malagasy

 Ny vondron’orinasa afakahaba amin’ny sehatrin’ny lamba fitafy sy akanjo ary kojakoja (GEFP) no tompon’antoka tamin’ny tetikasa. Niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa ny tahirim-bola ho an’ny fanoanana arak’asa (FMFP). Mitentina 318.630.000 Ariary ny vola nampiasaina tamin’izany ka nisy ampahany tamin’ny vola no avy amin’ny latsakembokin’ny orinasa sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. «Ny olombelona no harena ary asa sy ny fampanan’asa miankina  dia amin’ny fahaiza-manao. Tsapa fa miha vitsy ny olona manana traikefa amin’ny fanatanterahana ny asa ka izany indrindra no antom-pisian’ny tetikasa», hoy ny Filohan’ny GEFP, Rakotoarisoa Lanto.  Nanamafy ihany koa i Ramaroson Jean Michel, Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny FMFP fa ho fanamafisana  ny fahaiza-manaon’ny mpiasa malagasy ny INP. «Maromaro ny programan’asa FMFP fa anisany  lehibe tokoa ny INP ahafahana manatsara ny kalitaon’ny mpiasa. Misy sahan’asa ihany koa anatin’ny  tetikasa ny fampidirana mpiasa  tsy ao anatin’ny sehatra ara-dalana ho ao amin’ny valan’ny ara-dalana», hoy izy.  Nambarany fa mbola vonona ny fandaharan’asa ny FMFP.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *