Nofaranana tamim-pomba manetriketrika ny 7 novambra 2025 ny Orange Summer Challenge 2025 nasionaly natrehin’ny Tale Jeneraliny vaovaon’ny Orange Madagascar, Aminata Ndiaye Niang . Fifaninanana nokarakarain’ny Orange Madagascar ity hetsika ity izay naharitra telo volana. Nahitana fahaiza-mamorona, herim-po ary fanoloran-tena avy amin’ny tanora mpamorona sy mpandraharaha maniry hanangana vahaolana ho an’ny hoavy maharitra.
Fampiroboroboana ny hevitra sy ny fahaizan’ny tanora
Ny Orange Summer Challenge dia fandaharan’asa iarahan’ny Orange Digital Center manerana an’i Afrika sy Moyen-Orient, eo ambany fandrindran’ny OMEA. Isan-taona, tanora an’arivony no mandray anjara amin’ny fananganana tetikasa ara-teknolojika sy ara-tsosialy manampy amin’ny fampandrosoana maharitra.
Ho an’i Madagasikara, ny andiany 2025 dia noraisina ny lohahevitra « Startup4Good : des solutions durables portées par les talents de demain ». Tanora maherin’ny 400 no nifaninana, ary 32 tamin’izy ireo no voafantina taorian’ny fifantenana hentitra, noho ny famoronany, ny fahaizany ary ny fahavononany hiatrika fanamby vaovao.
Nizara ho ekipa efatra ireo mpandray anjara ireo, ka ny tsirairay dia niasa tamin’ny iray amin’ireo tetikasa nahazo laharana voalohany :
- GazNika : fanodinana sy fanamafisana ny lanjan’ny fako organika
- MAITSO Madagascar : teknolojia maitso ho an’ny fiovàna ara-tontolo iainana amin’ny sehatra indostrialy
- Rano’O : fahazoana rano fisotro madio sy ny fahadiovana any amin’ny sekoly ambanivohitra
- Tranon’AI : tokantrano maoderina misy angovo mitsitsy
Telo volana nianarana sy niaraha-nisalahy
Nandritra ny telo volana dia niasa ireo ekipa efatra hanova ny hevitra ho lasa « prototype » azo ampiharina. Nandray anjara mavitrika tamin’ny fiofanana ara-teknolojika, ara-barotra ary ara-pitantanana izy ireo, notarihin’ny Orange Digital Center sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny programa.
Tamin’ny lanonana famaranana ity dia nasehon’ireo ekipa efatra teo anatrehan’ny mpitsara sy ny mpiara-miombon’antoka ny tetikasa nataony. Ny vato avy amin’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny fampiharana Votepad dia nanisa 40% amin’ny isa farany, raha 60% kosa no avy amin’ny mpitsara nandritra ny fandraisana am-bava ny 23 oktobra 2025.
GazNika hisolo tena an’i Madagasikara
Taorian’ny fanombanana rehetra dia GazNika no nahazo ny isa ambony indrindra, ka izy no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny famaranana iraisam-pirenena amin’ny volana febroary 2026. Hifaninana amin’ireo ekipam-pandresy avy amin’ny tany 17 ao amin’ny faritra OMEA izy ireo. Ankoatra ny anaram-boninahitra ho tompondakan’ny Orange Summer Challenge 2025, dia hahazo fanohanana manokana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena toy ny AWS sy META ny ekipa mandresy.
Marihana fa tamin’ny 2024, ny tetikasa Plastikôo avy eto Madagasikara no nahazo ny loka lehibe iraisam-pirenena, nampisongadina indray ny fahaizan’ny tanora malagasy amin’ny sehatry ny fanavaozana.
Ny herin’ny firaisankina sy ny fanoloran-tena
« Amin’ny alalan’ny Orange Summer Challenge sy ny tambajotra Orange Digital Center dia manamafy ny fanoloran-tenany ny Orange Madagascar amin’ny fanohanana ny tanora, ny fizarana fahalalana, ary ny fananganana tontolo nomerika ahafahan’ny rehetra mandray anjara sy mahazo tombony », hoy ny Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, Aminata Ndiaye Niang. Ny Orange Summer Challenge dia manaporofo fa ny firaisan-kina, ny fahaiza-mamorona ary ny fahavononan’ny tanora dia afaka mamadika hevitra ho lasa vahaolana maharitra ho an’ny fiarahamonina sy ny hoavy maitso kokoa.
Ra-Nirina



