Socio-eco

FRÉQUENCE PLUS TV: Nametraka fitokisana tamin’ny Startimes


Manome lanja ny fanabeazana sy ny kolontsaina any amin’ny faritra. Tsikaritra fa manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny haino vaky jery eto Madagasikara. Ankehitriny, hita ao amin’ny « chaîne » 112 ao amin’ny Startimes ny Fréquence Plus TV raha toa ka tamin’ny alalan’ny onjam-peo no nahafantarana ny Fréquence Plus hatramin’izay. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 20 martsa teny Ankorondrano ity fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta ity. Nomarihan’ny tomponandraikitry Fréquence Plus TV fa efa tamin’ny volana novambra 2019 no efa nandeha tao amin’ny televiziona nomerika Startimes ireo fandaharana vokarin’izy ireo.

Mampiavaka ity « chaîne » 112 ity ny fampiasana ny tenim-paritra. Miompana amin’ny lafiny fanabeazana sy kolontsaina any amin’ny faritra ireo fandaharana toy ny Akory Aly, Kalaza, Kids Edu Mag… Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra hatrany dia ao anatin’ny vondrona RFP, izay ahitana ny Radio Fréquence Plus Antananarivo sy Radio Fréquence Plus Morafenobe, no misy ny Fréquence Plus TV. Ny taona 2018 no niforona io vondrona io tao aorian’ny fiovan’ny mpitantana ny onjam-peo Fréquence Plus.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *