Socio-eco

FORUM B2B MOMBA NY AGRIBUSINESS: Ho firosoana any amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo


Fampiakarana avo ny fihariana eny ambanivohitra. Tontosaina ny 18 jona 2022 eny amin’ny CCI Ivato ny “Forum Business to Business” na B2B. Ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana miaraka amin’ny ministeran’ny jono sy ny toekarena manga, ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fananantany, ny ministeran’ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana, ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), ny tranoben’ny tantsaha mpamokatra ary ny  komitim-pirenena misahana ny famokarana tantanam-pianakaviana (CNAF)  no mikarakara ny hetsika. “Fampiroboroboana ny agribusiness amin’ny alalan’ny fampivoarana ny famokarana tantanam-pianakaviana no lohahevitra ho an’ny andiany voalohany. Ho fanafainganana ny fanatanterahana ny paikady momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo no tanjon’ny ministeran’ny fambolena amin’ity hetsika fampihaonana ireo tantsaha mpamokatra, ireo olona manana tany midadasika manomboka amin’ny 100 hektara, ireo mpampiasa vola amin’ny sehatry ny “agribusiness” ity. “Tetikasa miisa 120 sy ny tany mirefy 200.000 hektara no efa fantatra nandritra ny dingan’ny fanomanana ny hetsika ary ho entina mandritra ny hetsika izany”, araka ny fanazavan’ny ministry ny fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy. Nohamafisiny fa tsy misy tany amidy amin’ny mpandraharaha fa fifanaraham-piarahamiasa no hifanaovan’ireo mpandraharaha, mpamokatra, tantsaha. Nambarany fa ho fampiakarana avo ny fihariana eny ambanivohitra ny “forum BtoB”. Efa nisokatra ny fisoratana anarana ahafahana mandray anjara amin’ny forum. Ny 10 jona 2022 vao hifarana izany. Ao amin’ity rohy ity ny fisoratana anarana: etoolia.edbm.mg amin’izany. Marihina fa ny 16 sy ny 17 ny fikaonan-doham-pirenena ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Eny amin’ny CCI Ivato ihany no hanatanterahana izany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *