Socio-eco

FORMAPROD: Sekoly 38 mahazo fampiofanana momba ny asa famokarana eny ambanivohitra


Asa faran’izay ambony. Nampahafantarina androany 27 desambra 2019 teny Nanisana  ny  fampidirana ny fampiofanana momba ny asa famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ho an’ny taom-pianarana  2019-2020. Fandaharan’asan’ny FORMAPROD ho an’ny  faritra Analamanga, Itasy ary Sofia izy ity. Sekoly ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa fototra miankina amin’ny fanjakana sy tsy miankina miisa 38 no misitraka izany. Araka ny fanazavan’ny  mpanolontsaina ara-teknikan’ny fandaharan’asa FORMAPROD  ho an’ny faritra Analamanga, Itasy ary Sofia, Rabeson Andersen fa fanao isan-taona nanomboka ny 2014 ity tetikasa ity ho famohazana indray  ny fitiavan’ny ankizy ny asa famokarana eny ambanivohitra. Nambarany fa “rehefa tsy mahavoa ny mpianatra dia asain’ny ray aman-dreny mandeha mitàna angady. Lasa diso ny fisainan’ny tanora fa asa ambany ny famokarana, nefa asa faran’izay ambony satria io no mampitombo ny toekarena ka andeha ho velomina. Izay no antony  nahatonga fiarahamiasa amin’ny  ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampiofanana ara-teknika sy arak’asa, amin’ny alalan’ny DRENTP”, hoy izy. Miara-miasa amin’ny foibem-paritry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono ihany koa ny tetikasa  ka izy ireo no mandefa teknisiana mampiofana mivantana ireo mpampianatra, solontenan’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra izay hampita ny fahalalana azony any amin’ireo mpianatra mahazo tombontsoa  amin’ny tetikasa.
Ankoatra izany, notontosaina tamin’io fotoana io ny fizarana fankasitrahana ireo sekoly mendrika indrindra tamin’ny  fitondrana ny tetikasa nandritra ny taom-pianarana teo aloha. Sekoly sivy no nahazo loka. Ny voalohany voafantina teto anivon’ny faritra mahazo  fanampiana mitetim-bidy telo tapitrisa Ariary, ny faharoa mahazo roa tapitrisa Ariary ary ny fahatelo izay isaky ny distrika mahazo iray tapitrisa Ariary. “Tsy lelavola no omena azy  ireo fa araky ny tetikasa nataony no hanohanana azy ireo toy  fitaovam-pianarana, fanamafisana ny cantine scolaire…”
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *