Socio-eco

FONDS YAVARHOUSSEN : Handravaka an’Antananarivo Renivohitra ny sangan’asan’i Joël Andrianomearisoa


Hitarika ny mponin’Antananarivo hanonofy sy hanana faniriana vaovao. Tontosa ny 14 septambra 2021 teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’i Andriantsitohaina Naina, Ben’ny tanànan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy i Hasnaine Yavarhoussen, Tale jeneralin’ny groupe Filatex sady Filohan’ny Fonds de Dotation HY na Fonds Yavarhoussen. Ho fampiroboroboana ny kanto sy ny kolontsaina eto Madagasikara no tanjon’ny fiarahamiasa. Amin’ny alalan’ny Fonds Yavarhoussen dia ho haranty eo amin’ny lapan’ny tanàna Analakely ny sangan’ asan’i Andrianomearisoa Joël, mpanakanto Malagasy manana ny  toerany eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Hotokanana amin’ny fomba ofisialy ny 9 oktobra 2021 ho avy izao ity sary sokitra mitondra ny lohateny hoe: “Eto isika dia manandratra ny nofin’izao tontolo izao”. Azo tsidihin’ny daholobe izy ity aorian’io fotoana io.

 Hevitra tian’ny mpanankanto  ampitaina amin’io sangan’asany io ny hoe: “Sary sikotra hanofisana ny tanàn-dehibe, hanofisana ny renivohitra fa indrindra izao tontolo izao. Hiresahana amin’ny  mponina an’Antananarivo sy hanofisana faniriana vaovao indray. […] Ndao hanonofy, hiresaka  ireo nofy satria rehefa manonofy dia afaka mamorona rivo-baovao. Eto Antananarivo  isika dia manandratra ny  nofin’izao tontolo izao”. Nambaran’ny Ben’ny tanàna an’Antananarivo Renivohitra  fa ho famantarana fa eto amin’ity toerana ity isika no manandratra ny nofin’izao tontolo izao ny sangan’asan’i Andrianomearisoa Joël. Araka ny fanazavany dia am-pindramin’ny Fonds an’ny kaominina mandritra ny taona maro io sangan’asa io. Nohamafisin’i Hasnaine Yavarhoussen, mpitarika ny vondron’orinasa Filatex fa “eto isika dia manandratra ny nofin’izao tontolo izao” satria eto amin’ity nosy , eo anelanelan’ny moron-tsiraka afrikana sy ny ranomasimbe Indiana ity isika dia manandratra nofy ka ity tany ity no hahatanteraka izany. Ankoatra ity fiarahamiasa ity dia mitohy hatrany ny fanosehana ireo mpanakanto Malagasy  amin’ny sehatra isan-karazany ataon’ny  Fonds Yavarhoussen  ary misokatra ho azy ireo hatrany ny ivon-toerana Hakanto Contemporary.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *