Socio-eco

FONDS DE DOTATION HY: Vonona hanampy tosika ireo « mpanakanto » vao misandratra


Hampiakarana ny lanjan’ny kanto sy ny kolontsaina maha malagasy. Ao anatin’ny fandraisan’anjaran’ny Filatex amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fananganana ny Fonds de Dotation HY. « Ny tale jeneralin’ity vondron’orinasa ity, Hasnaine Yavarhoussen, no namorona azy ity satria manana finoana izy fa tsy mety ny miresaka ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara raha ohatra ka very  ny kolontsaina maha malagasy », hoy i Andrianarisoa Romy, tale jeneralin’ny Fonds de Dotation HY nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny  13 desambra 2019. Nampahafantarina tamin’io fotoana io fa miara-miasa akaiky amin’ny mpanakanto malagasy momba ny “art contemporain”, Andrianomearisoa Joël  izay nisolo tena an’i Madagasikara nandritra ny fampirantiana iraisam-pirenena “Biennale de Venise” andiany faha-58 ity vovonana miasa ho an’ny fampiroboroboana ny kanto sy ny kolontsiana malagasy ity.
Manana talenta amin’ny asa famoronana ara-javakanto ny tanora malagasy fa ny rafitra sy ny ho enti-manana hampiroboroboana izany no tsy hananany. Ho laharam-pamehana amin’ny Fonds de Dotation HY ny fanampiana ireo mpanakanto vao misandratra amin’ny sehatra isan-karazany. “Natao ho an’ny artista malagasy izay mbola tsy manana traikefa, tsy manana toerana fanaovana fampirantiana  ny Fonds de Dotation mba  ho lasa artista fantatry ny olona”, hoy hatrany i Andrianarisoa Romy. Nambarany fa omena fiofanana izy ireo ary efa misy ireo manam-pahaizana manokana momba ny kanto (art) avy any ivelany (Belgique, Turquie, Etats-Unis) ho avy eto an-toerana hampiofana azy ireo. Hahazo fanampiana ara-pitaovana, akora ilaina amin’ny asa famoronana ihany koa ireo mpanakanto vonona hiainga sy hiaina amin’ny maha artista.  Rehefa miakatra ny fahaiza-manaon’izy ireo dia omena toerana hanaovana fampirantiana ny asa tanany izy ireo. Efa manana toerana voaomana amin’izany ny Fonds de Dotation HY ka hotokanana amin’ny fomba ofisialy ny 09 febroary 2020 ny “Art Plateform HY” eny Ankadimbahoaka.
Ankoatra izany, nilaza ny tomponandraikitra fa hisy ny fiaraha-hiasa amin’ny sekolim-panjakana EPP sy ny CEG satria « tianay hohamafisina fa ny kanto sy ny kolontsaina anie tsy ho an’ny olona manan-tsaina be, manam-bola be ». Ho tarihina sahady ireo ankizy hahafantatra izany atao hoe: kanto sy ny kolontsaina malagasy izany.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *