Socio-eco

FONDATION ORANGE : Mikendry ny fampivoarana ny ankizy, tanora ary ny vehivavy


Natao ny 25 septambra 2023 teny amin’ny tour Redland Ankorondrano ny andiany voalohany ny « Village Solidarité ». Nokarakarain’ny Fondation Orange eto Madagasikara ny hetsika. Nahafahana nampiseho ireo mpiara-miombon’antoka aminy rehetra  eo amin’ny lafiny ara-tsosialy ary nampiranty tamin’ny alalan’ny trano heva. Miisa 50 mahery ireo trano heva. 30 kosa ny mpiara-miasa amin’ny Orange Madagascar. Nisy ny velan-kevitra isan-karazany nandritra ny hetsika. Ny ankizy, ny tanora ary ny vehivavy no nokendrena tamin’izany velan-kevitra izany, toy ny  nataon’ ny Unicef  ho an’ny ankizy…Nisy ny fanolorana mari-pakasitrahana sy lela-vola ho an’ireo vehivavy valo izay nahazo fihofanana teo amin’ny « Maisons digitales pour les femmes ». Famatsiam-bola izay hanatanterahany ny tetikasany tsirairay avy. Teo ihany koa ny andian’ny tanora iray izay nampiofanina tao amin’ny FabLab Solidaires izay nahazo lela-vola 10.000 Euro ahafahan’izy ireo mampiroborobo ny tetikasany. Fampianarana sy fanomezana foto-drafitrasa hanasana tanana sy rano fisotro madio ho an’ireo ankizy eny amin’ny « Village Orange » sy ny « Ecole Numerique » ny tetikasan’ireto tanora ireto. Notolorana mari-pakasitrahana tamin’ny fahavitan’ny fiofanana ihany koa ireo vehivavy 20 ao amin’ny « Maison Digitale » Andakana.

Ankehitriny, 30 ny « Village Orange », 42 ny « Maison Digitale », 3 ny FabLab, 240 ny « Ecole Numerique » ary manodidina ny 400.000 mpianatra nahazo tombotsoa tamin’izany. Hatrany amin’ny 200 ireo mpilatsaka an-tsitra-po isan-taona nahazo karama avy amin’ny Orange Madagascar izay niasa tao amin’ny « Association Orange Solidarité Madagascar ».

Tonga nanatrika ity hetsika ity ny Déléguée Générale de la Fondation Orange, Fronçoise Cosson, Directeur Mécénat Afrique  de la fondation Orange, Ludovic Issartelle ary ny filohan’ny fikambanana « Orange Solidarité Madagascar », Benja Arison.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *