Socio-eco

FONDATION MICHELANGELO : Hitily ireo mpanao asa tanana manan-talenta eto Madagasikara


Hitondra vokatsoa ho an’ny mpanao asa tanana malagasy. Ho ampahafantarina manerana an’izao tontolo izao  ireo mpanao asa manan-talenta  sy mamokatra taozavatra avo lenta sy miavaka indrindra eto Madagasikara. Taorian’i Afrika Atsimo sy Zimbabwe dia hitily ireo mpanao asa tanana malagasy manana ny mampiavaka azy ny Michelangelo Foundation ary hivoaka ao amin’ny “guide Homo Faber” ny anaran’izy ireo sy ny asa tanana vokarin’izy ireo, ny volana jona 2024.  Ny faran’ny taona 2023, nanapakevitra ny Fonds Yavarhoussen, naorin’i Hasnaine Yvarhoussen – Filoha Tale Jeneralin’ny vondrona Filatex fa hiara-hiasa amin’ity fondation Suisse ity ho fampahafantarana ny Homo Faber eto Madagasikara. Ny Fonds Yavarhoussen no hanao fisafidianana mialoha ireo mpanao asa tanana tompona trano mpamokatra asa tanana eto Madagasikara. Anisany sivana hisafidianana azy ireo ny famoronana asa tena raitra sy kanto, ny fiarovana sy fahaziana mizara ny  fahaiza-manao. Aorian’izay, ny ekipa ny fondation Michelangelo kosa no hanome fankatoavana ny lisitra avy amin’ny Fonds Yavarhoussen. Ho ampahafantarina ao amin’ny tranokalan’ny Homo Faber ny mombamomba ireo mpanao asa tanana voasafidy mba ahafahan’izao tontolo mahafantatra bebe kokoa azy ireo sy ahazoan’izy ireo kômandy sy fiarahamiasa. Manasa ireo mpanao asa tanana na trano mpamokatra asa tanana maniry ny hivoaka ao amin’ny Homo Faber noho izany Fonds Yavarhoussen  hanatona ny ekipan’izy ireo.

Fikambanana naorin’i Johann Ruppert, mpanefoefo avy ao Afrika Atsimo ny taona 2016 ny Michelangelo Foundation. Ho fampiroboroboana ny asa tanana tena raitra (#excellence_artisanale) amin’ny alalan’ny  fitadiavana, fanomezana lanja sy fanohanana ireo mpanao asa tanana mahafehy ny teknika nentim-paharazana  sy mamokatra taozavatra avo lenta no laharam-pamehana ho an’ny fondation sy ny Homo Faber.  Nampivondronina  ao amin’ny Homo Faber avokoa ireo mpanao asa tanana miavaka manerana an’izao tontolo izao mba ahafahan’izy ireo mivelatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy mampiroborobo ny lafiny ara-barotra.  Ankehitriny, efa mandrakotra ny firenena eraopenanina, firenena ao Asie afovoany (Ouzbékistan…), Amérique Latine (Mexique, Chili) ity guide ity. Hita ao amin’ny tranokala homofaber.com avokoa ireo asa tanana manomboka any amin’ny tenona ka hatrany amin’ny famokarana firavaka, “katalôgy”…

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *