Mampiroborobo ny fanatanjahantena eny anivon’ny fokontany. Nozaraina ny 28 janoary 2021 teny amin’ny kianja Mitafo Mahamasina ny mari-pahavitam-piofanana an’ireo 36 mianadahy nanaraka fiofanana ho lasa mpanentana ara-panatanjahantena. Tamin’ny alalan’ny tetikasa M’Hetsika MVola tantanin’ny Fondation Axian izay iarahany miasa amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) no nahafahan’izy ireo nisitraka fampiofanana nandritra ny enina (06) andro. Araka ny fanazavan’ny tale misahana ny fanatanjahantena ao amin’ny CUA, Rakoto Andrimbalo Jalal Benjamin fa “famoahana ireo formateur na coach sportif nantsoina teny anivon’ny fokontany teny amin’ny boriborintany” ny hetsika notanterahina ny alakamisy 28 janoary 2021. “Mizara telo ny tetikasa M’hetsika Mvola: fampiofanana animateur sportif, fanamboarana fotodrafitr’asa momba ny fanatanjahantena ary ny fametrahana espace vert eto Antananarivo Renivohitra. Ny orinasa Mvola no mamatsy vola ity tetikasa hiarahana miasa amin’ny CUA ity ary dimy taona ny faharetany.”, hoy Rajemison Dina, tomponandraikitry ny seraseran’ny Fondation Axian.
Fokontany 192
Nizara roa ny fiofanana nataon’izy ireo ka ny dingana voalohany ny lafiny théorie toy ny fomba fananganana tetikasa, lalana tokony aleha raha hanatanteraka hetsika (fangalana fahazoan-dalana), fitantanana hetsika ary ny fiarahana mitady mpiara-miombon’antoka. Ny dingana faharoa kosa dia ny lafiny fampiharana. Lohahevitra nanaovana fampiharana ny musculation, ny aquagym, fanaovana fanatanjahantena eny amin’ny natiora. Nambaran’ny tale misahana ny fanatanjahantena ao amin’ny CUA fa iraka ho ampanaovana ireto mpanentana ara-panatanjahantena ireto ny fananganana tetikasa ara-panatanjahantena ho an’ny tanora eny anivon’ny fokontany. Avy amin’ireo fikambanana ara-panatanjahantena teny anivon’ny fokontany sy boriborintany ireto nisitraka fampiofanana ireto ka anisany nampiofana azy ireo ny avy ao amin’ny akademia nasionaly ny fanatanjahantena (ANS) .“Antony nisafidianana azy ireo dia ireny fikambanana ara-panatanjahantena ireny no ratsana afaka mampita haingana any amin’ny tanora eny anivon’ny fokontany ny lafiny fanatanjahantena”, hoy hatrany Rakoto Andriambalo Jalal Benjamin. Ao anatin’ny vinan’ny tetikasa ny hisian’ny mpanentana ara-panatanjahantena manerana fokontany 192 mandrafitra ny CUA.
Ra-Nirina
Pingback: FONDATION AXIAN: Mpanentana ara-panatanjahantena 36 nahavita fiofanana - ewa.mg