Socio-eco

FONDATION AXIAN : Mampiasa angovo avy amin’ny fako ny Lycée Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana


Mampihena ny fiparitahan’ny fako. Fako mora loa (déchets organiques) 170 kilao isan’andro no ilaina hampiodinana  ny “biodigesteur” ao amin’ny  Lycée Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana (LASN). Mamokatra etona 7 metatra toratelo isan’andro io foto-drafitr’asa io. Araka ny fanazavan’ny Proviseur-n’ny lisea, Ravonirina  Andrianantenaina Solo  fa azo ampiasaina ao an-dakozia amin’ny fandrahoan-tsakafo  ny etona azo avy amin’ny fanodinana fako. Ny ampahany amin’ny etona azo avy amin’ny biodigesteur  dia ampiasain’ny sekoly ao amin’ny cantine. Nambarany ihany koa fa ny herinaratra mampandeha ny jiro ao amin’ny efitranon-tsekoly miisa roa dia  ny  etona  azo avy amin’ny biodigesteur. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 24 febroary 2021 io foto-drafitr’asa io. Raha ny tantara dia  nandray anjara tamin’ny fifaninanana “Energie  Océan Indien” nokarakarain’ny COI (Commission de l’Océan Indien) tamin’ny 2019 ny mpianatra telo mianadahy tao amin’ny LASN. Nanohana io fifaninanana io ny Fondation Axian. Ny fanodinana fako mora loa ho lasa angovo, ahazoana etona no nentin’izy ireo nifaninana tamin’izany ka nobatain’izy ireo ny amboara. Nanampy tamin’ny fanantontosana  ny tetikasa tao amin’ny sekolin’izy ireo ny Fondation Axian. Nilaza ny tomponandraikitry ny seraseran’ny Fondation Axian, Ravelonjato Claudia fa  fanindroany  ry zareo nanampy sekoly momba tetikasa ara-tontolo iainana. “Manohana foana ny Fondation rehefa tetikasa momba ny fiarovana ny tontolo iainana ary vonona hiara-hiasa amin’ireo mpiantsehatra amin’izany”, hoy izy.

Ady amin’ny fiovan’ny toetry ny andro

“Ny filàna ato amin’ny sekoly no nanosika anay hanao ilay tetikasa. Iaraha-mahalala ny  fiparitahan’ny fako sy fivangongoan’ny fako manerana an’Antananarivo. Kanefa ireny fako ireny, indrindra ny fako biolojika dia mamoaka etona dioxyde de carbone (CO2) sy ny methane (CH4). Ireo etona ireo anefa dia anisany mampitombo ny hafanan’ny tany. Izany indrindra no nahatonga ny fanangonana ireo fako biolojika mba ampihenana ny fiparitahan’izy ireny sady mandray anjara amin’ny ady amin’ny fiovan’ny  toetry ny andro”, hoy i Veloarivony Miary Fandresena, anisan’ireo mpianatra nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Araka ny fanazavan’ny mpianatra iray tao anatin’ireo ekipa nandresy tamin’ny fifaninanana, Randrianariliva Safidiniaina fa tetikasa efa nisy no nataon’izy ireo fa  nanatona teknisiana  izy ireo ny fomba hanatanterahana azy. Ny ARAFA (Angovo Rano Fandrosoana), orinasa manao resaka fanadiovana, angovo azo havaozina no nanampy azy ireo tamin’izany. Amin’izao fotoana izao dia mitondra fako (déchets organiques) toy ny hoditra legioma avy any an-trano ny mpianatry ny LASN hampiodinana ny biodigesteur. Miara-miasa  amin’ny fokontany manodidina ihany koa ny sekoly amin’ny fanentanana ny mponina hanavaka ny fako mora loa sy ny plastika ka hangonin’ny sekoly  ireo fako ilainy.

Nirina R.


One comment on “FONDATION AXIAN : Mampiasa angovo avy amin’ny fako ny Lycée Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana

  1. Pingback: FONDATION AXIAN : Mampiasa angovo avy amin’ny fako ny Lycée Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *