Mahaleo tena ara-tsosialy sy ara-bola. Tsy fanjarian-tsakafo, fitsoahana an-daharana an-tsekoly, ny fahasarotana amin’ny fahazoana asa raikitra sy ahazoam-bola, ireo olana telo lehibe ireo no nahatonga ny Fondation Axian namolavola ny Voly First Immo. Ny orinasa First Immo, izay ao anatin’ny vondrona Axian, no mamatsy vola ity fandaharan’asa ity. Miara-miasa amin’ny amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny Fondation amin’ny fanantanterahana azy. Niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa voalohany ny roa tonta ny 07 aogositra 2020. Toerana valo no hisitraka ny tetikasa amin’ity taona 2020 ity ka anisan’izany ny « AKANY IARIVO MIVOY » mandray ireo tsy manan-kialofana, ny faritry ho an’ireo zaza tsy ampy taona eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny EPP Ankadinandriana, ny EPP Ambohipo, ny EPP Analamahitsy Cité, ny EPP 67 HA, ny EPP Mahamasina Est ary ny EPP Anosisoa.
Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera avy ao amin’ny Fondation Axian, Rajemison fa tanjona iraisan’ny roa tonta ny fametrahana sehatra iray ho an’ireo olona marefo mba hampifandraisana azy amin’ny fiarahamonina sy ahafahan’izy ireo manana fahaleovantena ara-tsosialy sy ara-bola. Ny fandaharan’asa dia hanampy amin’ny fanajariana, ny fampitaovana sy ny fitantanana ny fambolena an-drenivohitra ho an’ireo EPP na akany mandray ireo olona marefo. Hisy ihany koa ny fampiofanana ny ankizy, mpampianatra, ireo mipetraka amin’ireny akany ireny, zaza tsy ampy taona voafonja, momba ity fambolena an-tanàn-dehibe ity, ny fitadiavana lalam-barotra. Laharam-pamehana ao anatin’ny fandaharan’asa ihany koa ny fanentanana azy ireo amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Ankoatra izany, ny fambolena an-tanan-dehibe dia hanampy ireo mpisitraka ny fandaharan’asa ho ampy ara-tsakafo. Raha ho an’ireo mpianatra sy ireo zaza tsy ampy taona voafonja ohatra dia afaka mihinana legioma isan-karazany, be otrikaina izy ireo ary hanampy azy ireo hanana fifantohana bebe kokoa izany ka hampihena ny fitsoahana an-daharana an-tsekoly. Raha ho an’ny ray amandreny indray dia azo atao ho loharanom-bola fanampiny izany.
Nirina R.
Pingback: FONDATION AXIAN: Lalana hahatongavana any amin’ny fahampiana ara-tsakafo ny Voly First Immo - ewa.mg