Socio-eco

FOIRE INTERNATIONALE DE MADAGASCAR : Vohizina ny toekarena maintso


Tratra ny tanjona. Tonga maro ny mpitsidika nandritra izay telo andro izay. Hifarana anio 14 mey ity hetsika FIM 2023 (Foire Internationale de Madagascar) ity izay atao eny amin’ny  Expo Forello Tanjombato.  Miisa 350 eo ho eo ny trano heva ao anatin’ny toerana mirefy 12.000 m². Laharam-pamehana mandritra ny  FIM 2023 andiany faha-17 ny fanentanana ny orinasa ho  « tomponandraikitra miaro sy mikolokolo ny tontolo iainana ». Ahitana orinasa madinika, salantsalany ary vaventy mampiseho ny hetsika ataony amin’ny andavanandro amin’ny fiarovana sy fikolokoloana ny tontolo iainana. Maro noho izany ireo vokatra mifandraika amin’izany. Betsaka ihany koa ny hetsika hanomezana laka ny toekarena maitso mandritra FIM sy ireo hetsika rehetra tanterahana eny amin’ny Parc Expo Forello Tanjombato.

Anisan’ny tanjona ny hetsika ihany koa ny  fampifandraisana ny mpandraharaha, hahazoana lalam-barotra vaovao, ho fampahafantarana ny vokatra. Ankoatra ny fampirantiana dia hisy ny fampihaonana ny samy mpandraharaha (BtoB), famelaberalaran-kevitra hifampizarana traikefa amin’ny lafiny fandraharahana, toy ny fanondrana entana any ivelany.  Maro ny mpandraharaha Malagasy te hanondrana entana any ivelany fa tsy mahita lalana. Ho resahana mandritra ny FIM izany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *