Socio-eco

FOIRE INTERNATIONALE DE MADAGASCAR (FIM) 2025: Manamafy ny fiarahamiasa eo amin’ny orinasa sy ny fanjakana


“Miakatra ho azy ny  hari-karena faobe rehefa misy ny fifampitokisana eo sehatra tsy miankina sy miankina amin’ny fanjakana”, hoy i Ramanantsoa Tahiry, Mpandrindra ny Mada Vision, nandritra ny fampahafantarana ny Foire Internationale de Madagascar (FIM)  ho an’ny taona 2025, ny 7 martsa 2025, teny Soarano. Ho tanterahina ny 22 ka hatramin’ny 25 Mey, eny amin’ny CCI Ivato ny FIM  andiany faha-19 . Ny Mada Vision no mikarakara ny hetsika. “Tetezana  hisokafana amin’i Afrika” no nampisalorana ity andiany ity.  “Madagasikara  no Filohan’ny Vondrom-piarahamonin’ny Fampandrosoana Afrikana Tatsimo  (SADC)  [ho an’ny taona 2025-2026]. Tetezana iray ho fisokafana amin’ny Afrika  ny FIM sy ahafahan’ny mpandraharaha afrikanina sy iraisam-pirenena mijery ny  sehatra  azo trandrahina eto Madagasikara na amin’ny lafiny maha olona, na talenta na fahaiza-manao”, hoy ny mpikarakara. Nambarany fa hanamafy ny fampiroboroboana ny  toekarena malagasy  no tanjon’ny FIM ka laharam-pamehana ny fanohanana ny mpandraharaha eto an-toerana.  “Hohamafisina ny fifaneraserana eo amin’ny samy mpandraharaha malagasy, ny mpandraharaha sy ny sehatra miankina amin’ny fanjakana mba ahafahana manintona ny avy ivelany handraharaha eto Madagasikara”, hoy hatrany Ramanantsoa Tahiry.  Noho izany, sehatra  iray ahafahan’ny mpandraharaha sy ny tomponandraiki-panjakana amin’ny sehatra isan-tsokajiny na samy mpandraharaha mihaona mivantana,  mifanakalo hevitra, miara-mitady vahaolana, mizara traikefa  ny FIM, araka ny fanazavany. Ankoatra izany, manampy ny mpandray anjara ahafantatra  ireo sehatra mbola azo trandrahina eo amin’ny  tsena anatiny sy any ivelany, toa an’i Afrika  ny hetsika.  Fotoana iray ahahafan’ireo manana tetikasa miavaka (startups) mampahafantatra ny vokatra na ny tetikasany sy mitady fiarahamiasa  ihany koa io fotoana io. Nanamafy i Ranaivo Rajaonarisoa fa  ho avoitra mandritra  ny efatra andro ireo talenta, ny kalitao sy fahaiza-manao eto Madagasikara, amin’ny lafiny indostria, fambolena,  asa tanana…

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *