Socio-eco

FOIRE ECONOMIQUE-COMMERCIALE DES 23 REGIONS : Manana tohana ho an’ny mpandraharaha na sehatra tsy miankina ny ministera


Tsy fantatry ny olon-drehetra. Hetsika hiharenan’ny mpandraharaha taorian’ny hamehana ara-pahasalamana noho ny covid-19 ny « Foire économique-commerciale des 23 régions ». Ho fanohanana sy fampifandraisana ny mpandraharaha hanitatra ny lalam-barotra any amin’ny faritra no antony nikarakaran’ny Mada Vision azy ity. « Hampiroborobo ny varotra anatiny no tanjona. Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny faritra ka ny fiarahamientana no vahaolana ahafahana mampandroso ny varotra anatiny”, hoy Ramanantsoa Harilala, tomponandraikitry ny Mada Vision. Manerana ny faritra 12 no hanatontosaina ny foara ary samy hotanterahana ny  25 ka hatramin’ny 28 novambra 2021 izany. Ho an’ny faritra Atsinanana, 100 no mandray anjara, 50 ho an’ny faritra Sava, 50 ho an’ny Betsiboka. An-jatony ihany koa ny mpandray anjara eto Antananarivo. Ho hita mandritra ny foara ny varotra fampirantiana ataon’ireo magazay na orinasa isan-karazany, ireo trano heva ahafahantarana ireo tolotra manome tohana ny orinasa, ho an’ny olona mitady asa fa indrindra ahazoana toro-hevitra momba ny fandraharahana azo hanodinam-bola any amin’ny faritra. Ankoatra ny orinasa madinika, salantsalany ary vaventy, anisany mampiavaka ity hetsika andiany voalohany ity ny fandraisan’anjaran’ny ministera sy ny andrim-panjakana. “Haneho sy hizara ny mety fanohanana izay misy eny anivon’ny ministera ho an’ny mpandraharaha na sehatra tsy miankina ireo ministera mandray anjara. Maro ny tohana misy fa matetika tsy fantatry ny olon-drehetra, hiseho an-tsehatra ampahafantatra an’izay ny ministera”, hoy Ramanantsoa Harilala. Ho ampitaina mivantana ao amin’ny pejy facebook ny « Foire économique-commerciale des 23 régions » ny fandraharahana azo atao any amin’ny faritra.

Ra-Nirina

Vote final

Note finale 0

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *