Socio-eco

FOARA IRAISAMPIRENENA HO AN’NY FAMBOLENA (FIA): Fampirantiana ireo vokatra tsara kalitao, fampihaonana ny tantsaha sy mpandraharaha


Mampiavaka ny Foara iraisampirenena ho an’ny fambolena, fiompiana  ary jono (FIA) ny fampahahafantarana ireo seha-pihariana mbola misokatra eto Madagasikara sy any ivelany ho an’ireo sehatra telo ireo. Ohatra amin’izany ny famokarana tantely, 10.000 taonina isan-taona ny tinady eto amin’ny tsena  kanefa tsy mbola mahasahana izany ny famokarana. Torak’izany ihany koa ny eo amin’ny fanondranana satria 10.000 taonina isan-taona no tinady. Mbola sehatra azo ampiasam-bola ihany koa ny famokarana sakafom-biby satria 64.000 taonina isan-taona no provandy ilaina, 16.000 hektara ny vilona ilaina ary 25.000 hektara ny zavamaniry ilaina hamokarana tantely. Tsy mbola mahasahana  ny filàna eto an-toerana ihany koa ny famokarana atody sy ronono. 2160 taonina ny tinady ho an’ny ronono raha toa ka 2200 taonina isan-taona ny atody. Ho velabelarina mandritra ny FIA andiany fahadimy ireo tsena mbola misokatra eto Madagasikara sy any ivelany.

Nanomboka omaly 21 septambra  ary  hifarana ny 24 septambra 2023, eny amin’ny Hazovato Forello Expo Tanjombato ny FIA.  « Fampirantiana ireo vokatra azo avy amin’ny fambolena sy fiompiana  ary jono,  ireo sehatra hafa mifameno amin’izy telo ireo, fanomezana vaovao momba izany, fampahahafantarana ireo teknolojia vaovao, fampihaonana ny tantsaha sy ny mpandraharaha ny Foara iraisampirenena ho an’ny fambolena. Matihanina ny mpandray anjara ka hahazo vokatra tsara kalitao ny mpitsidika », hoy i Ramilson Harifidy, Ministry ny fambolena sy fiompiana, nandritra ny fanokafana ny FIA. 400 mahery ny mpandray anjara amin’ny hetsika.

 « Ho fanampiana ireo olona te ampiasa vola, manana tany sy tsy an’asa  ny FIA. Hahazo fampahalalam-baovao momba ny teknika, amin’ny lafiny ara-bola sy ara-pitaovana ireo te hampiroborobo ny seha-pihariana », hoy i Ramanantsoa Harilala, mpandrindra ny  hetsika karakarain’ny ny HazoVato. Ampahafantarina mandritra ny efatra andro ny birao misahana ny famokarana, mamondrona amin’ny toerana iray ireo singa 10 tena ilain’ny mpamokatra,  ny  paikady ho an’ny tolo-draharahan’ny Mpamokatra na « Stratégie des Services Agricoles » sy ny »Annuaire des Producteurs » izay tolotra hanohanana ny tantsaha, hijerena akaiky ny mpamokatra ahafahana mamaly ny filany. Tantsaha miisa 20 000 no voarakitra ao anatin’ny « annuaire des producteurs ».

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *