Sport

FMF : Atao tsy ho ela ny fifidianana ireo mpitantana isan-tsokajiny


Hiitatra roa volana ny fitaom-piasan’ny komity mpanatanteraka (CE). Taorian’ny fivoriana niarahan’ny FIFA sy ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra (FMF) tamin’ny volana martsa 2023 dia anjaran’ny vaomiera mahaleotena roa ( Commission Electorale sy commission de recours) misahana ny fifidianana eo anivon’ny FMF no mamaritra ny tetiandro hanaovana fifidianana isan-tsokajiny. Eo ny  seksiona 101, ligy 22, mpikambana ao amin’ny komity mpanatanteraka miisa 11. Miainga avy eny amin’ireo klioba izay hifidy ny filohan’ny seksiona sy ireo mpiara-miasa aminy ny fifidianana. Izay filohan’ny seksiona lany eo indray no hifidy izay ho filohan’ny ligy sy ireo mpiara-miasa aminy eny anivon’ny faritra. Filohan’ny ligy kosa no hifidy ny filoha vaovao hitantana ny federasiona sy ireo komity mpanatanteraka mandritra ny taom-piasana 2023-2027.

Tapitra amin’ny 24 aogositra 2023 ny fotoam-piasan’ny CE. Taorian’ny fifampiresahan’ny vaomiera roa hikarakara ny fifidianana tamin’ny FIFA dia hiitatra ny volana aogositra vao ho tapitra ny fifidianana ka noho izany dia hiampy roa volana ny fitaom-piasan’ny CE mba ho ara- dàlana ny fifidianana.  Nomarihan’izy ireo nandritra ny fampahafantarana izany rehetra izany fa tompon’anjara sy topon’antoka amin’ny fanatanterahana tetiandro sy resaka ara-bola ny CE. Ny Fanomanana ny fifidianana sy ny fivorian’ireto vaomiera ireto kosa tsy nisy nidiran’ny CE.

Hisy ny fizaram-baovao ataon’ireo mpikamban’ny vaomiera nasionalin’ny fifidianana manerana ny faritra. Tanjona ny ampahafantra bebe kokoa ireo fepetra sy fandaminana izay hiantoka ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Azon’ireo rehetra liana manomboka izao ny mijery ny andinindiny momba ny fifidianana isan’ambaratongany ao amin’ny tranokalan’ny FMF  www.fmf.mg

Toy izao ireo tetiandron’ny fifidianana, ny 01 na 02 jolay 2023 ny fifidianana eo anivon’ny seksiona, ny 12 aogositra 2023 kosa ny eo anivon’ny ligy ary ny 14 oktobra 2023 ny eo anivon’ny federationa

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *