Socio-eco

FIZAHANTANY ANY AMBANIVOHITRA : Nanohana ara-bola ny AVIMA ny fandaharan’asa PAGE 2/ GIZ


Mitondra fampandrosoana ho an’ny tanàna. Anisan’ireo tanàna iray mandray vahiny hanao fizahantany any ambanivohitra i Belazao, Distrikan’i Betafo, faritra Vakinankaratra. AVIMA - Accueil Villageois Malagasy 1 Rehefa avy mitsidika ny tendrombohitr’i Hitavo, ahafahana mahita ny faritra Vakinankaratra amin’ny ankapobeny sy farihy Tritriva ireo mpitsidika dia entin’ny mpitari-dia mijery ny loharano lehibe izay “afaka mamatsy rano hatrany amin’ny  tanànan’Antsirabe”, araka ny fanazavan’i Charles, mpitari-dia avy amin’ny fikambanana Fivoarana.  Aorian’izay dia mitsidika ireo mpanao asa tanana toy ny mpanao tady ireo vahiny. “Ampianarina sy ampandraisana anjara amin’ny fanamboarana asa tanana ireo vahiny raha lavalava ny fotoana hijanonany. Rosoana sakafo karakaraina avy amin’ny vokatra ao an-toerana ireo mpitsidika. Fomba fanao ihany koa ny famaranana ny fitsidihana amin’ny alalan’ny famalifaliana ny mpitsidika amin’ny alalan’ny hira sy ny dihy. Miaraka manao fanentanana aminay ny ankizy ao an-tanàna ”, hoy i Charles. Hatramin’ny telo taona nisian’ny fitsidihana ambanivohitra tao Belazao dia  teratany vahiny miisa 70, frantsay, anglisy no nandalo tao amin’ity tanàna ity.

Fampandrosoana ny tanàna

Randrianarisoa Felana, tomponandraikitrin’ny AVIMA

Randrianarisoa Felana, tomponandraikitrin’ny AVIMA

 Toerana iray hanaovana fandraisam-bahiny eny ambanivohitra amin’ireo tanàna 13 manerana an’i faritra telo (03): Vakinankaratra, Atsimo Andrefana ary Diana)  iasan’ny fikambanana AVIMA (Accueil Villageois Malagasy) i Belazao.  “ Tanàna enina amin’ireo  eto Vakinankaratra. Ny AVIMA dia fikambanana iray manao fandraisam-bahiny ambanivohitra eto Madagasikara. Isaky ny tanàna iray dia misy fikambanana miara-miasa aminay. Olona avy ao an-toerana ihany. Ireo mpikambana ireo no nofaninana handray vahiny ao an-toerana ho  fampandrosoana toerana hiasana”, hoy Randrianarisoa Felana, tomponandraikitrin’ny AVIMA, faritra Vakinakaratra. Nambarany fa nofanina momba ny fandraisana vahiny, fikarakarana sakafo , fampitsangatsanganana, fampisehoana harena voanjanahary sy harena koltoraly  eo amin’ny faritra ary asa tanana , fambolena sy fiompiana ireo mpikambana. “Afaka mampatory  ny aty amin’ny Vakinakaratra satria manana trano fatoriana izay nokarakaraina manokana handraisam-bahiny.  Na io trano naorin’ny AVIMA na tranon’ny olona aty an-toerana fa nokarakaraina mba handrasaim-bahiny”, hoy izy.  Ireo fikambanana ihany no misahana ny asa rehetra fa manofana sy manaramaso ny hatsaran’ny fandraisaina vahiny no ataon’ny AVIMA. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra hatrany dia hanaovana tetikasam-pampandrosoana ny tanàna ny 10 % ny vola avy amin’ny fandraisana vahiny. Ohatra tao Anjazafotsy: namatsiana dabilio sy nanaovana “dallage” ny CEG  izany.

Fiatrehana ny covid-19

AVIMA - Accueil Villageois MalagasyNanamboka tamin’ny 2018, niara-niasa tamin’ny  fandaharan’asa PAGE  an’ny “Coopération Technique Allemande” na GIZ ny AVIMA. Tamin’ny alalan’ny fiarahamiasa taminy no nahafahana nanitatra ireo tanàna  handraisam-bahiny, tamin’ireo toerana niasan’ity fandaharan’asa momba ny fiarovana ny tontolo iainana ity. “Tanàna dimy (05) manodidina ny valan-javaboahary arovana no nametrahana fandraisam-bahiny mba hampitomboana ny fidiram-bola ao amin’ilay tanàna sy hiarovana ny tsindry  amin’ny tontolo iainana. Anisan’izany ny ao Antsinjoriaka”, hoy i Randrianarisoa Felana, tomponandraikitry ny AVIMA Vakinankaratra. Nijanona ny fizahantany  any ambanivohitra  ny taona 2019- 2020 noho ny valanaretina  Covid-19. “Nikatona ny sisin-tany, tsy nisy mihitsy ny fandraisam-bahiny” . Nahazo famatsiam-bola avy amin’ny PAGE 2/ GIZ  ireo fikambanana isaky ny tanàna mba hanamaivanana ny fiantraikan’ny valanaretina. “Miompana amin’ny fikajiana ny tontolo iainana, fampianarana sy fanabeazana ho amin’ny fambolen-kazo sy fikajana ny hazo ny famatsiam-bola nomeny.  Nahazo famatsiam-bola hanaovana fiompiana tantely ihany koa ireo fikambanana”, hoy izy. Araka ny fanazavany dia tanjona efatra (04) no tratrarina tamin’ity famatsiam-bola ity:

  • Famerenana ny fiofanana azon’ireo mpikambana mba tsy hahavery ny traikefan’izy ireo
  • Fampahafantarana ny « Accueil villageois » sy ny « commercialsiation ». Novatsian’ny PAGE / GIZ ny fanamboarana  ny tranokalan’ny AVIMA, ny fandraisana anjara tamin’ny Salon International de tourisme tany Berlin,  ny salon du tourisme teto Madagasikara
  • Fanohizana ny tetikasa fampandrosoana
  • Famatsiana fitaovana fandraisam-bahiny

Ra-Nirina/Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *