Socio-eco

FIVORIANA IRAISAMPIRENANA MOMBA TONTOLO IAINANA : Tsy manana hevitra iraisana ireo delegasiona misolo tena an’i Madagasikara


Hiady ho an’ny tombontsoa iombonana no hanatrehana ireny  fivoriana iraisampirenena momba ny tontolo iainana sy fiovan’ny toetrandro ireny. Mandefa solontena hanatrika  izany  matetika ny firenena malagasy. Ny ministeran’ny tontolo iainana no mitarika izany. Voaasa amin’ireny fivoriana ireny ihany koa ireo firaisamonimpirenena. Lesoka hita anefa ny tsy fananana hevitra iraisana kanefa tombontsoan’i Madagasikara momba ny fiarovana ny tontolo iainana  sy fiovan’ny toetrandro no iadiana.  Mila fanomanana mialoha ny fanatrehana fivoriana iraisampirenena satria fandresen-dahatra no atao, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Alliance Voahary Gasy (AVG), Razakamanarina Ndranto. Ho fanarenana ireo lesoka sy ho fanomanana ny fivoriana mbola ho avy, ny COP 28 no akaiky indrindra  dia nanatanteraka fikaonandoha ireo fiaraisamonimpirenena misahana ny rano sy fanadiovana ary fidiovana (EAH) ary ny tontolo iainana, ireo tanora nandray anjara tamin’ireo COP farany. Notanterahina ny 9 sy 10 janoary 2023 teny amin’ny Motel Anosy io fivoriana io. Anisan’ireo lesoka lehibe voaresaka tamin’izany  ny tsy fanomanana mialoha ny  hevitra iraisana  ho entin’ireo delegasiona mandritra fivoriana; ny tsy fakàna ny hevitrin’ny firaisamonimpirenena (OSC). “Tokony ratsa-mangaika lehibe amin’ny  delegasionan’i  Madagasikara ny fijoroan’ny firaisamonimpirenena. Mila manana hevitra iraisana ny delegasiona. Misy ny maromaro  ny tanora nandeha  tamin’ny COP farany teo nefa misaratsaraka ny fijoroana  any  amin’ny fivoriana. Tamin’ny COP 21,22,23 anefa nisy ny firasainkina mialoha sy fiarahana miasa”, hoy hatrany Filohan’ny AVG.

 Nanamafy Rakotonirina Katia Mahery, tomponandraikitra misahana ny vondrona momba ny fiovan’ny toetrandro  fa  nandray anjara fihaonambe iraisam-pirenena maro momba fiatrehena ny fiovan’i toetrandro i Madagasikara. “ Inona tena vokany ? Izay indrindra no antony niraisan’ny fikambanana maro avy amin’ny firaisamonimpirenena hiteny ho fanatsarana fandraisan’anjaran’ i Madagasikara”, hoy izy. Nambarany  fa tsara homanina ary hampandraisina anjara OSC, ny sehatra tsy miankina ahafahana mitondra ny feon’ny vahoaka,  ny feon’ny fikambanana amin’izay tokony ho asehon’i Madagasikara amin’ireny fihaonana ireny.  “Lesoka tsara arenina  ny tsy fananatonana ny firaisamonimpirenena. Ny firaisamonimpirenena no manakaiky ny  vahoaka sy vondron’olona ifotony, manana vaovao sy  mahafantatra marary  ka tsara antonona, alaina ny heviny sy traikefa ho fitondrana vahaolana manoloana ny  fiatrehana fiovan’ny toetrandro”, hoy izy. Nandray anjara tamin’ity fikaonandoha ity ny WaterAid Madagasikara satria anisany misy fiatraikany amin’ny rano ny fiovan’ny toetrandro. “Eo ny tsy fahampian’ny rano, ny kalitaon’ny rano. Aina ny rano ka rehefa ratsy ny kalitaony dia misy fiatraikany amin’ny fahasalamana’, hoy Rabeharisoa Serzhino, Tomponandraikitra misahana ny fitantanana sy ady sisika eo anivon’ny WaterAid.  Nilaza izy tsy tokony hisy intsony ny ahiahy eo amin’ny fanjakana sy ny OSC satria ny “fanjakana manatsara servisy hanatsarana ny fiainan’ny vahoaka, ny OSC miteny ny zavatra tsy misy, misintona lakolosy rehefa misy zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny”. Ho ampahafantarina ny governemanta sy ny mpiara-miasa teknika sy ara-bola ny fehinkevitra nivoaka tamin’ity fikaonandoha ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *