Socio-eco

FITSABOANA HO AN’NY OLONA SIMA MOLOTRA SY VAKY LANILANY: Tratra ny tanjona nandritra ny Operation Smile Tour


Nitondra tsiky sy fiovana. Niainga teto Antananarivo ary nifarana tany Toliara ny dia nataon’ny ekipan’ny Operation Smile Tour. Tao anatin’ny 12 andro no nanaovan’izy ireo ny diabe ho an’ny fitsaboana ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny Operation Smile. Manana vina hanome fitsaboana feno ho an’ireo olona sima molotra  sy vaky lanilany ny ONG ho an’ny 10 taona manaraka. Ankoatra ny fandidiana maimaim-poana dia hanome fitsaboana hafa toy ny fitsaboana ny vava sy ny ativava, tohana ara-tsaina, tohana ara-tsakafo ary fampianarana miteny ny Operation Smile. Tratra ny tanjona napetraka nandritra Operation Smile Tour natao teny lalam-pirenena faha-7  satria marary  miisa 160 no nisitraka fitsaboana tsy misy fandidiana fitsaboana ny vava sy ny ativava, tohana ara-tsaina, tohana ara-tsakafo ary fampianarana miteny. Anisan’ireo nahazo fandidiana maimaim-poana tamin’ny ONG ny zanak’i Ramatoa Venu. Hatramin’izao mbola mitohy ny fanohanana azy mianaka.  Araka ny fitantarany nandritra Operation Smile Tour tany Toliara dia tsy sahy mitondra ny zanany lahy sima molotra  eny amin’ny toerana be olona izy. “Nitady toro-hevitra tamin’ny manodidina mba hitondrana vahaolana amin’ny  fahasemabanan’ny zanako. Nandeha tany amin’ny havako, ny olom-pantatro ary hopitaly aho. Mpitsabo iray no niresaka tamiko momba ny Operation Smile sy ny fandidiana maimaim-poana omeny. Tena faly aho fa nahazo fandidiana avy amin’ny ONG ny zanako. Hatramin’izao aza mbola mahazo tohana ara-tsakafo izy”, hoy Ramatoa Venu. Niteraka fifaliana ho an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Operation Smile ihany koa ny diabe ho an’ny fitsaboana. “Faly  aho ary mahatsiaro maivamaivana  fa tratra ny tanjona tamin’ny fanomezana fitsaboana  ho an’olona 160. Mahafa-po ny mijery ireo marary nahazo fitsaboana avy amin’ny Operation Smile”, hoy i Fabrice, Patient Advocate ao amin’ny Operation Smile eto Madagasikara. Anisany nahatratrarana io tanjona io ny fanampiana avy amin’ireo mpiara-miasa amin’ny ONG. Nikarakara hetsika ny Operation Smile ny alin’ny 1 desambra 2022 ho fanolorana fankasitrahana azy ireo. “Sarobidy ny tohana omen’ireo namana sy mpiara-miasa  amin’ny fanatanterahana ny iraka ataonay”, hoy Rakotomalala Mirana, Country Manager ny Operation Smile  eto Madagasikara. Nitondra tsiky ho an’olona mahery telo tapitrisa (3 000 000) manerantany ny Operation Smile tao anatin’izay 40 taona nisiany izay. Nandritra ny 15 taona niasany teto Madagasikara dia Malagasy 4000 mahery no nahazo fandidiana momba ny sima molotra sy vaky lanilany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *