Natolotry ny FAPBM ho an’ny MNP ny kitapo fitoeran-drano hamonoana afo. Natao ny 07 Aogositra 2025 tao amin’ny foiben’ny Madagascar National Parks (MNP) etsy Ambatobe ny lanonana ofisialy fanolorana 368 kitapo fitoeran-drano ho fanamafisana ny ady amin’ny afo amin’ireo faritra arovana eto Madagasikara. Ireo fitaovana ireo dia novatsian’ny « Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar » (FAPBM), ary natolotra tamin’ny fomba ofisialy niaraka tamin’ny Minisitra ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy, Atoa Max Andonirina Fontaine.
16 toerana voafaritra handray ireo fitaovana
Nambaran’ny tomponandraikitra fa ireo kitapo fitoeran-drano ireo dia hatsinjara amin’ireo toerana 16 laharam-pahamehana amin’ny tambajotran’ny faritra arovana iandraiketan’ny MNP. Anisan’ireo toerana hahazo azy ireo ny Valan-javaboahary Ankarafantsika, Baie de Baly, Andohahela, Tsingy de Bemaraha, Isalo, Kirindy Mité, Befotaka/Midongy, Mikea, Tsimanampesotse, Zombitse-Vohibasia, ary ireo tahiry manokana ao Ambohitantely, Analamerana, Ankarana, Kalambatritra, Manombo, ary tahiry voajanahary manontolo ao Tsaratanana. Manampy ireo fitaovana efa natolotra tamin’ny volana mey lasa teo ireo fitaovana ireo, toy ny citernes, hipporollers, motopompes, ary drone entina manamafy ny ady amin’ny afo.
Nanamarika ny maha-zava-dehibe ny hetsika ny Minisitra ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy, Max Fontaine nandritra ny lahateniny, ka nilaza fa « isan’ny olana lehibe indrindra amin’ny fiarovana ny harena voajanahary eto Madagasikara ny fisian’ny afo ». 100 000 hektara isan-taona eo ho eo no lasibatry ny doro tanety sy ala, araka ny tatitra ataon’ny ministera, hoy izy. « Tsy fitaovana ihany anefa no mahavita azy fa isika rehetra. Mila fiaraha-mientana amin’ireo vondrom-bahoaka, manam-pahefana, fiarahamonim-pirenena ary mpiara-miombon’antoka izany », hoy hatrany izy. Notononiny manokana ho dingana lehibe amin’ny fanatanterahana ny politika iaraha-mitantana amin’ny doro tanety (Gouvernance Partagée des Feux) ihany koa ity fanolorana fitaovana ity, politika izay vao nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra.
Ireo fitaovana vaovao ireo dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanohanana ara-bola nifanaovan’ny FAPBM sy ny MNP nanomboka tamin’ny Aogositra 2023. Ity fiaraha-miasa ity dia mikendry ny hanamafy ny fahaiza-miaro sy ny fahamailona amin’ireo faritra Arovana, indrindra amin’ny fotoanan’ny hain-tany sy main-tany.
Nohamafisin’ny FAPBM fa mikendry ny hanamorana ny asan’ireo mpiasa eny ifotony ity tohana ity, amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana mifanaraka amin’ny zava-misy, sy fanentanana amin’ny fitantanana maharitra amin’ny alalan’ny fisorohana, fanentanana eny anivon’ny vondrom-piarahamonina, ary fikojakojana tsy tapaka.
Ra-Nirina



