Socio-eco

Fitaovam-pandidiana « cataracte »: Hajanona ho an’ny hopitalim-panjakana


Maso voan’ny « cataracte » 200 isa ho didiana maimaim-poana. Fiarahamiasan’ny fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, miaraka amin’ny fanjakana sinoa ity hetsika ity. Mpitsabo maso sinoa, mamitaka iraka eto Madagasikara no hanao ny fandidiana. Hanampy azy ireo ihany koa ny mpitsabo Malagasy. Nanombaka ny 31 mey ka hatramin’ny 11 jona 2018 ny fandidiana. Efa nisy ny fisoratana anarana mialoha. “Efa vita ny fitiliana ny mason’ireo olona nisoratra anarana”, araka ny fanazavana voaray. Nambaran’ny profesora Léa Raobela fa mampiavaka an’ity fandidiana ny “cataracte” ity ny fampiasana teknika any amin’ny tany mandroso. “Collyre” no “anestie” ampisaina fa tsy tsindrona, “pliable” ny solona solomaso apetaka ary afaka adin’ny roa aorian’ny fandidina dia afaka mody ny marary. Ao amin’ny hopitaly HJRA Anosy no hanaovana ny fandidiana.
Nitondra fitaovana avy any “Chine” ny vaomiera nasionaly ny fahasalamana an’i Chine izay hamita ny asa. “Hajanona ho an’ny hopitaly ireo fitaovana ireo rehefa vita ny asa”, hoy ny ambasadaorin’i Chine, miasa eto Madagasikara, Yang Xiaorong, nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa « Voyage de lumière” sy ny fampirantiana ireo asa vita niarahan’ny sinoa sy Malagasy niasa momba ny fahasalamana, ny 31 mey 2018. Tamin’ny alalan’ny tetikasa « Voyage de lumière” no nahafahan’ny fanjakana sinoa sy ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka manatanteraka izao fandidiana maimaim-poana ny “cataracte” izao.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *