Socio-eco

FITADIAVANA ASA: Maimaim-poana ny fijerena tolotr’asa ao amin’ny tranokala Asako.mg ho an’ny mpampiasa ny tambazotra Airtel


Manamora ny fitadiavana asa.  Sarotra ny mitady asa ka izany indrindra no nahatonga ny Media Click namorona ny tranokalam-pifandraisana  Asako.mg. Noho ny fiarahamiasa eo amin’ny Airtel Madagascar dia maimaim-poana ny fijerena ny tranokala. Tontosa ny  zoma 30 septambra 2022 teny Alarobia ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny roa tonta. « Tranokalam-pifandraisana  ahitana tolotr’asa ny Asako.mg.  Maimaim-poana  ny fitsidihana ny tranokala raha mampiasa connexion Airtel. Andoavam-bola kosa raha mampiasa tambazotra hafa », hoy i Ratsimbarison Anna, Tomponandraikitrin’ny serasera ao amin’ny Airtel Madagascar.  Ahitana ireo tolotr’asa manerana an’i Madagasikara ny tranokala www.asako.mg. “Fahatsapana fa sarotra  ny mitady asa nefa maro ihany ireo orinasa mandray mpiasa no nanosika namoronana ny site. Noho izany, hampifandray ireo mpitady asa sy ireo orinasa mitady mpiara-miasa vaovao ity tranokala ity. Ho fanamorana  ny fitadiavana no tanjona”, hoy  Raminoharijaona Tojo, Tale jeneralin’ny orinasa  Media Click nanamboatra ny  tranokala. Ho an’ny mpampiasa kosa dia toerana iray ahafahana mitady mpiara-miasa vaovao, mandefa tolotr’asa ao aminy ho hitan’ny besinimaro ny tranokala. “Maimaim-poana ny fandefasana tolotr’asa, ho an’ireo orinasa te handefa izany”. Tolotr’asa dimy (05) isan’andro hatreto no alefa ao ary 500 isan’andro no mitsidika ny tranokala. “Amin’izao fiarahamiasa amin’ny Airtel izao dia hitombo ny mpitsidika”, hoy hatrany Raminoharijaona Tojo. Ankoatra ny fandefasana tolotr’asa dia manome torolalana ho an’ireo mpitady asa momba  fanoratana CV, lettre de motivation ihany koa ity tranokala ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *