Socio-eco

FIOFANANA MOMBA NY ASA NOMERIKA: Namolavola tolotra mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa ny Sayna sy ny Orange Madagascar


Tsy afaka nanohy ny fianarany eny amin’ny oniversite i Rakotondrabe Fanantenana Jeannot, tovolahy 23 taona. Mandeha any amin’ny “cyber” matetika izy, mikaroka izay mahasoa. Akory ny hafaliany fa nahita ny fiofanana maimaim-poana momba ny asa atao amin’ny tontolon’ny nomerika izy, ny fiandohan’ny taona 2023. Tao amin’ny Sayna, vovonana mampiofana 100% “en ligne” momba ny fitaovana sy asa manodidina ny tontolon’ny nomerika toy ny “Front-end, Back-end, WordPress, Marketing digital, Design UX/UI, Rédaction web, SEA/SEO, Intelligence Artificielle no nahitany izany. Nisoratra anarana avy hatrany i Fanantenana ka voaray. “Nanomboka tamin’ny Discovery ny fiofanana nataoko, avy eo design UX/UI ary nitohy tamin’ny JavaScript, HTML, wordpress. Nahafahako nanokatra tranokala hivarotana boky “en ligne” ny fianarana ny WordPress”, hoy izy. Manana tolotr’asa marobe momba ny asa “en ligne” ihany koa ny Sayna. Anisany nahazo asa i Fanantenana ka nahazoany solosaina voalohany ny karama azony tamin’izany.

Tsenan’asa mbola misokatra manerana an’izao tontolo izao ny fifehezana ny nomerika. Marobeireo orinasa mitady mpiasa mahafehy ny nomerika. Nanamafy ny fiarahamiasany ny Sayna sy ny Orange Madagascar ho fanampiana ireo tanora hisitraka ny fanabeazana nomerika sy ho fampanan’asa azy ireo. Namolavola karazana tolotra fiofanana momba ny nomerika ny roa tonta. Natao hifanaraka amin’ny filàn’ny mpiofana ireo fiofanana ary hahazoana  mari-pahaizana. Manomboka amin’ny 4.500 Ariary isan’ora ny sarany. Azo ampiasaina manomboka ny 15 novambra 2023 ny tolotra. Lakile hanampy ny mpiofana hahazo asa momba ny nomerika ity fiarahamiasa ity. Maniry ny Sayna sy ny Orange Madagascar fa tafiakatra 30.000 isam-bolana ny mpampiasa ny tolotra, ho an’ny taona voalohany fampahafantarana izany. Ho an’ny vina fohy ezaka dia hitombo 55.000 ny isan’ireo mpiofana mavitrika manaraka fiofanana momba ny nomerika, amin’ny alalan’ny internet.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *