Socio-eco

FIOFANANA HO AN’NY MPIASA ETO MADAGASIKARA : Orinasa mpanofana miisa 9 nahazo mari-panamarihana fahavitana fiofanana avy amin’ny FMFP sy Better Work


Manatsara ny sehatry ny asa, mifanaraka amin’ny singa sosialy sy ny maha olona. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny 5 Mey 2023 tao Antsirabe ny fanamariham-pahavitam-piofanana ho an’ireo orinasa mpanofana miisa 9 voasafidy tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa P2CSI (Programme de Certification des organismes sur les Compétences de formation en Conformité sociale et sur la compétitivité des Industries). Anisan’ireo nahazo izany ny TEKFUTURA, IFC Factory Ingénierie, Institut National de Promotion Formation (INPF), MCI Development, BuyYourWay (BYW), Institut National de l’Infrastructure (ININFRA), MSA Mobility Security Advisor, HSSQE CAB et APAVE. Fandaharan’asa entina  ankatoavana ny fahaiza-manaon’ireo orinasa  amin’ny alalan’ny fiofanana mifanaraka amin’ny singa sosialy sy ny fifaninanana amin’ny sehatry ny indostria  ny P2CSI. Miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany ny Tahirim-bola ho an’ny fampiofanana arak’asa (FMFP) sy ny  Better Work. Mifanindran-dalana amin’ny fandaharan’asan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny asa (OIT) sy ny IFC, vatsian’ny Vondrona Eraopeanina vola ihany koa ny tetikasa.

Nahazo fiofanana nandritra 12 volana momba ny fifanakalozan-kevitra ara-tsosialy, zo sy andraikitry ny mpaisa, herisetra sy fanorisorenana eny amin’ny toeram-piasana, teknika fanarahamaso ireo orinasa ireo.  Natao ny tombana taorian’ny fiofanana ho fankatoavana azy ireo. « Resy lahatra izahay fa hisy fiantraikany tsara amin’ny fiaian’ny mpiasa malagasy sy ny tontolon’ny asa ity fandaharan’asa ity. Ho famporisihana ny orinasa hampihatra fomba fanao manaja ny fenitra iraisam-pirenena momba ny asa sy ampihena ny fiantraikany ara-tontolo iainana dia mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fahaiza-manao eny amin’ny indostria sy mpiasa ny Tahirim-bola », araka ny fanazavan’ny FMFP.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *