Socio-eco

FIM 2023: Mamporisika ny orinasa ho tomponandraikitra amin’ny fiarovana sy fikoloana ny tontolo iainana


Fampiroboroboana ny toekarena maitso. Ho laharam-pamehana mandritra ny  « Foire Internationale de Madagascar » na FIM 2023 ny fanentanana ny orinasa ho tomponandraikitra miaro sy mikolokolo ny tontolo iainana. Ho tanterahina ny 11 ka hatramin’ny 14 mey 2023 eny amin’ny Parc  Expo Forello Tanjombato ny andiany faha-17. Eo ambany fitantanan’ny Hazovato Expo Forello ny FIM nanomboka ny voalohany  ny volana martsa 2023 ka hanohy ny asa vitan’ny « Agence Première Ligne » fa indrindra hitondra fanatsarana. Hetsika ara-toekarena mampivondrona ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola avy eto Madagasikara sy avy ivelany ny FIM. «  Mirefy 12.000 m² ny toerana hanaovana ny fampirantiana ary ahafahan’ny orinasa madinika, salantsalany ary vaventy mampiseho ny hetsika ataony amin’ny andavanandro amin’ny fiarovana sy fikolokoloana ny tontolo iainana », hoy Ramanantsoa Harilala, mpandrindra ny hetsika nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny Alarobia 22 martsa 2023. Nambarany fa efa ela ny Tale mpitantana ny Hazovato, Gérard Monloup no niady ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana ka izany indrindra no hanomezana laka ny toekarena maitso mandritra FIM sy ireo hetsika rehetra tanterahana eny amin’ny Parc Expo Forello Tanjombato.

Fanondranana entana any ivelany

Ho fampifandraisana ny mpandraharaha, hahazoana lalam-barotra vaovao, ho fampahafantarana ny vokatra no tanjon’ny hetsika. Ankoatra ny fampirantiana dia hisy ihany koa fampihaonana ny samy mpandraharaha (BtoB), famelaberalaran-kevitra hifampizarana traikefa amin’ny lafiny fandraharahana, toy ny fanondrana entana any ivelany. « Maro ny mpandraharaha Malagasy te hanondrana entana any ivelany fa tsy mahita lalana. Ho resahana mandritra ny FIM izany », araka ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany. 120 ny mpandray anjara amin’ny FIM 2023. Mpitsidika 20.000 no andrasana ho avy mandritra ny 4 andro.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *