Fanamafisana ny fifandraisan’ny mpianatra, mpanelanelana ny mpianatra sy ny tompanandraiki-panjakana isan-tsokajiny no antom-pisian’ny fikambanan’ny mpianatra Politeknikan’Antananarivo (FMPA). Nifarana ny 12 janoary 2022 ny taom-piasan’ny birao mandrindra ny fikambanana ho an’ny taona 2022. Nanokana fotoana ny FMPA hisaorana ireo mpiara-miasa nanohana ny hetsika nokarakarain’izy ireo. Anisan’ny Ray mpiahy azy ireo tamin’izany ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran’afo (MEH), Ramaroson Andry. « Ny hetsika androany dia entina hanehoana firaisankinan’ny mpianatra sy ny mpanohana azy ireo, hamaranana ny taom-piasana nandritra ny FMPA 2022 ary fotoana iray hanararaotana hisaorana ny mpiahy sy mpanohana toy ny MEH, ny Ray mpiahy sy ireo olom-boafidy tety amin’ny kaominina », hoy i Bonasy, Filohan’ny FMPA 2022, teny amin’ny Politeknika Vontovorona, ny 12 janoary 2022. Nambarany fa maromaro ny hetsika nokarakaraina kanefa tsy nanana enti-manana nanatanterahana izany ny fikambanana. « Nanampy be dia be tamin’ny fanatanterahana ny hetsika 2022 ireo mpanohana. Mankasitraka azy ireo ”, hoy izy. Tamin’io fotoana io ihany koa no nanatanterahana ny dingan’ny famaranana ny lalao ara-panatanjahantena nifanandrinan’ireo mpianatra avy amin’ny lalam-piofanana samy hafa. Ny taranja basketball sy baolina kitra no natao tamin’izany ka omby no loka natolotra ho an’ny mpandresy. Nanamafy ny filohan’ny FMPA 2022 fa na dia tapitra aza ny taom-piasany birao notarihiny dia maniry ny fitohizan’ny fiarahamiasa amin’ny mpitondra fanjakana sy ny hery velona rehetra eto Madagasikara amin’ny birao vaovao ny tenany. Vonona hiara-hiasa amin’ny fikambanan’ny mpianatra hatrany i Haingo Paradis, solontenan’ny ministry ny Angovo, araka ny lahateny nataony . “Hitondra fanatsarana amin’ny sehatrin’ny fampianarana sy fizarana hazavana eny amin’ny faritry oniversite ny tenako amin’ny alalan’ny fiarahamiasa amin’ny ministry ny Angovo, Ramaroson Andry”, hoy izy. Ankoatra ny fizarana traikefa momba ny fitantanana fikambanana sy lafiny ny fampianarana dia nitsodrano ireo birao teo aloha sy ireo mpianatra nahavita ny fianarany ihany koa ny mpanabe Jen Laoshi, vahiny nasain’ny FMPA 2022.
Lynda A.