Socio-eco

Fikambanan’ny Ben’ny tanàna Analamanga : Matahotra miteny kanefa be hataka


Tapaka tamin’ny fivorian’ny fikambanan’ny ben’ny tanàna, faritra Analamanga fa raha te haneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ny ben’ny tanàna dia tokony amin’ny anarany manokana na ny kaominina tantanany fa tsy amin’ny alalan’ny fikambanana. Ny zoma 27 aprily 2018, teny Andoharanofotsy no nanatanterahin’izy ireo ny fivoriana. 52 ireo ben’ny tanàna tonga nanatrika izany. Ankoatra izany, niresaka momba ny tombontsoany ihany koa ny ben’ny tanàna. Mangataka ny hamoahana didy manafoana tanteraka ny didy 2018-162 ny fikambanan’ny ben’ny Tanana, faritra Analamanga. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Rigobert Rakotoarisoa fa nampihena ny tombontsoa toy ny karama sy ny maro hafa tokony ho an’ny ben’ny tanàna io didy io. Nahato izany saingy mbola tsy nisy didy nivoaka manafoana azy.

Zo fototra

Efa samy nahazo ny tahirim-bola ho an’ny fampandrosoana ifotony (FDL) avy ny kaominina. Na dia eo aza izany, mbola mangataka ny zo fototra ho an’ny kaominina ny ben’ny tanàna. « Sahirana ireo kaominina ambanivohitra amin’ny fampandehanana ny kaominina. Mangataka ireo ben’ny tanàna ny hanomezana azy ireo ny fanampian’ny fanjakana ho an’ny fampandehanan-draharaha ».

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *