Sport

FIKAMBANANA ZAH GASY: “Averina ny lazan’ny SCB Besarety”


Manana ny toerany ny lalao lavalava eto Madagasikara na eo amin’ireo kilioba izany na eo amin’ny ekipam-pirenena. Izany no mahatonga ny fikambanana na orinasa na olon-tsotra manohana ny klioba iray. Anisan’ireo manohana klioba ny fikambanana Za’Gasy. “Manana ny lazany ny SCB Besarety izany teo aloha ka ho ezahina averina izany”, hoy ny filoha nasionalin’ny  fikambanana Zah Gasy, Navandahy  Ratiharison. Amin’ny endriny maro no hisehoan’izany fanohanana ny SCB Besarety izany, toy ny fiantohana ny fanamiana anaovan’ny pilalao, eo ny ara-bola, indrindra ny fanohanana ara-tsaina ireo mpilalao…

Manana fahavononana ireo mpilalao ao aminy SCB Besarety noho izany ka miezaka hatrany ny hanao tsaratsara kokoa izay vita. Mandray anjara amin’ny fifanitsanana hiadiana ny tompondaka nasionaly Gold Top 8 izay karakarain’ny federasionan’ny baolina lavalava izy ireo. Nifanadrina tamin’ny FTA Isotry izy ireo ny Alahady 19 Oktobra 2018 lasa teo ao anatin’ity fifaninana nasionaly ity ny SCB Besarety. Niady ny lalao saingy nanatombo ny ekipan’ny FTA Isotry ka nisaraka tamin’ny isa 27 sy 19. Marihana anefa fa efa nadresy ny FTA ry zareo SCB Besarety  tamin’ny fiandohan’ity fifaninana ity.

Nirina R.


One comment on “FIKAMBANANA ZAH GASY: “Averina ny lazan’ny SCB Besarety”

  1. Pingback: FIKAMBANANA ZAH GASY: “Averina ny lazan’ny SCB Besarety” - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *