Socio-eco

FIKAMBANANA PORTE BONHEUR: Manana fahaizana sy erijika manokana hitondra ny anjara biriky ho an’ny firenena ny vehivavy


Fomba fanaon’ny fikambanana Porte Bonheur ny mikarakara hetsika ara-tsosialy rehefa 8 marsa, andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Ireo vehivavy  mahazo fiahiana ara-tsosialy ao amin’ny kolejy Saint Laurent Alasora no nosafidian’ny fikambanana hanaovana izany ny 8 marsa 2024. Rehefa nikaon-doha ny mpikambana dia seau, savony, sira, menaka ary macaroni no natolotra ho azy ireo. Nanome vary iray gony ho an’ny « cantine » ao amin’ny sekoly  ihany koa ity fikambanam-behivavy miasa ao amin’ny kaominina Alalsora ity. Rehefa vita ny fizarana tao amin’ny kolejy dia niakatra namonjy ny ivon-toeram-piterahana, eo ampitan’ny biraon’ny kaominina ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny Porte Bonheur. Nanolotra fanomezana ho an’ireo reny terabao sy ny rasazy tao ihany koa izy ireo.  Tsy nanadino ireo vehivavy mpiasan’ny kaominina, nanolontena hiasa ho an’ny andron’ny 8 marsa ihany koa ny fikambanana. Mpitarika ny fikambanana ny vadin’ny Ben’ny Tanan’Alasora, Randriantsoa Razaka Mireille. Nitondra hafatra ho an’ny vehivavy ny tenany.  “Tsapa ny andraikitry ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina, ny tokantrano sy ny firenena. Mankahery ny vehivavy amin’izany adidy mavesatra izany. Meteza ho fitaovana hampandroso ny fiarahamonina. Aza manaiky ho fanaka malemy fa ny vehivavy dia manana erijika manokana, manana fahafahana, manana fahaizana afaka hitondra anjara biriky ho an’ny firenena”, hoy izy. Marihina fa ao anatin’ny hetsika ara-tsosialy ataon’ny fikambanana isan-taona ny fanampiana ireo mpianatry ny EPP manerana ny kaominina Alasora.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *