Socio-eco

FIKAMBANANA FCRA: Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana arak’asa


Ho fanampiana ny olona sahirana. Foto-drafitr’asa avo lenta miisa telo no notokanana teny amin’ny CRA (Centre Rassoul Akram) Antaniavo Antohomadinika ny 20 novambra 2020. Anisan’izany ny trano lehibe ho an’ny ivon-toeram-pampiofanana arak’asa INFOPRO, ny Amphithéatre d’Al Haj Abdoul Momin ary ny efitram-pikarohana Al haj Roshan Jamil. “Natsangana izao foto-drafitr’asa izao ho fanampiana ny olona sahirana sy ho fiarahamiasa amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fametrahana ivon-toeram-pampiofanana arak’asa. Anjara birikinay amin’ny fampianarana izao ary hiezaka hanaparitaka ny fahalalana ho fanampiana ny tanora izahay”, hoy ny Filoha Tale jeneralin’ny CRA, Cheikh Haniphe Akbaraly. Nambarany fa mbola hisy ny fanamboarana ny ivon-toeram-pampiofanana eny Tanjombato, Andakana. Manana vina ihany koa ny fikambanana FCRA (Fifanampiana Centre Rassoul Akram) fa hananganana oniversite avo lenta momba ny informatika eny Ambohidratrimo.

Sampam-piofanana

Raha ho an’ny ivon-toeram-pampiofanana INFOPRO dia natao ho an’ny rehetra, tsy ny silamo ihany fa ho an’ny antokom-pivavahana rehetra, tsy ankanavaka ara-pivelomana. Mirary dia mirary ny saram-piofanana ary misy karazany maro ny sampam-piofanana toy ny zaitra, ny  “mécanique”, ny “informatique”, ny fianarana teny vahiny  (teny frantsay  sy anglisy).  Sivy volana ny faharetan’ny fiofanana ary isaky mifarana ny telovolana dia tsy maintsy manao fanadinana ny mpiofana ahafahana miditra amin’ny dingana manaraka. Ho an’ny taona 2018 dia mpiofana 52 no nahavita fiofanana tao amin’ity ivon-toeram-pampiofanana ity. Nitombo avo roa heny izany ny taona 2019, lasa 110 ireo nahazo diplaoma. Ankoatra ny lafiny fampianarana dia manao asa sosialy, mandray anjara amin’ny fambolen-kazo ihany koa ny FCRA.

Nirina R.


One comment on “FIKAMBANANA FCRA: Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana arak’asa

  1. Pingback: FIKAMBANANA FCRA: Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana arak’asa - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *