Socio-eco

FIKAMBANANA CAPRICORNUS: Nisafidy manokana ireo zaza kamboty


Nahazo fanampiana avy amin’ny fikambanana Capricornus ireo zaza narian-dray aman-dreniny manodidina ny telopolo isa raisin’ny akany TOPAZA an-tànana. Ankoatra ny maha fikambanana mpiaro ny zon’olombelona ny Capricornus dia nanosika ny mpikambana hanome fanampiana azy ireo ihany koa ny maha fetin’ny ankizy ny volana jona. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Herisolo Rasoazanamaka ihany koa fa anisany anton’ny tolo-tànana nataon’izy ireo ny fampifaliana ireo zaza kamboty amin’izao fetim-pirenena izao. Ny 23 jona 2018 ireo mpikambana no niroso tamin’ny fanolorana ny akanjo, « serviettes hygiéniques », « couches-culottes», «pâtes macaronis», vatomamy, ronono mandrimamy, siramamy ary arendrina. Hatramin’izay nanaovan’ny fikambanana Capricornus asa soa izay dia tsipaipaika avy any amin’ny mpikambana no nividianana ireo kojakoja natao fanomezana. Noho izany, misokatra ho an’ireo malala-tànana ny fikambanana.

Miahy

Zaza sivy volana no kely indrindra amin’ireo kamboty taizàna ao amin’ny akany TOPAZA ao Ambohipotsy nandritra ny fandalovana teny an-toerana. Trano fonenan’izy ireo ny akany fa mianatra any amin’ny toeran-kafa kosa izy ireo. Raha misy olona te hanangan-jaza ka mankeny amin’ny akany dia tsy afaka manome izany izy. Andraikitry ny akany ny manabe sy miahy azy ireo.


2 comments on “FIKAMBANANA CAPRICORNUS: Nisafidy manokana ireo zaza kamboty

    • Soeur Harilala

      Bonne et heureuse année 2023 .
      Manahoana Tompoko, hono oa nareo ve ve mandray zaza Kamboty ?fa misy kamboty telo lahy kely any zanak’ ny zokiko saika haiditro any .Merci

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *