Non classé

FIKAMBANANA ASSANATI FAMO GIDRAKA : Tsy manadino ny mpanao gazety


Mi-werawera amin’ny asa soa. Anjaran’ny mpanao gazety rehetra eto Madagasikara indray no ahazo vola amin’ity indray mandeha ity izay omen’i  Assanati Naboana,  Filoham-boninahitry ny Fikambanana assanati Famo Gidraka. Mitentina 200.000 Ariary ho fanampiana amin’ny fividianana PPN (Produits  de Première  Nécessité). « Tsy manao politika ny fikambanana fa mifototra amin’ny fanaovana asa soa. Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy. Na dia eo aza ireo misompatra sy manakiana ary manompa mihitsy aza dia tsy kivy fa tohizana hatrany ny fanampiana ny mpiray tanindrazana. Werawera tsy maintsy mandeha », hoy i  Assanati Famo Gidraka. Ho avy eto Madagasikara izy hanatrika ny « Fanompoambe » amin’ny volana jolay. Fomban-drazana Sakalava mampalaza an’i Mahajanga izay atao isan-taona izy ity. Niforona ny taona 2014 ny fikambanana, any Mahajanga ny foibe. Efa ahitana ny Fikambanana assanati Famo Gidraka ny eto Antananarivo, Antsirabe, Fenerive Est, Antsiranana. Hisy ny fikambanana tsy ho ela ny any Fianarantsoa, ny any amin’ny faritra atsimo.

Assanati Naboana

Zanak’i Mahajanga i  Assanati Naboana  fantatry ny maro amin’ny anarana Assanati Famo Gidraka. 29 taona izy ary manambady Norveziana. Mipetraka any Norvege izy. Faniriany hatrizay ny hanampy ny mpiara-belona aminy rehefa manana ny hatolotra izy. Tonga amin’ny iriany izy ankehitriny ka faly manao izany asa soa izany. Filamatry ny fikambanany ny hoe :  « isika rehefa miaraka amin’ny Assanati Famo Gidraka ary ny Werawera tsy maintsy mandeha ».

Ra-Nirina


One comment on “FIKAMBANANA ASSANATI FAMO GIDRAKA : Tsy manadino ny mpanao gazety

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *