Socio-eco

FIGS : Ho mora ny fanohizana fianarana any Frantsa


Fianarana ambaratonga ambony 20 ao Frantsa miara-miasa akaiky amin’ny “groupe France International Graduate Schools” (FIGS). Tamin’ny taona 2017, mpianatra Malagasy miisa 30 nanohy ny fianarany tany amin’ireo sekoly tsy miankina. Noho ny fanampian’ny biraon’ny FIGS teto Madagasikara, mora kokoa ny fikarakarana ny fidiran’izy ireo tamin’ireo sekoly any ivelany. Nijoro vavolombelona tamin’izany i Marc izay nisafidy ny lalam-piofanana “stratégique marketing” ary nianatra tany IDRAC Business School. “Nametraka ny fitokisako tamin’ny FIGS ny tenako. Ity “groupe” ity no nanohana ahy tamin’ny fikarakarana ny dingana rehetra tokony narahina”.

“Manampy ny mpianatra amin’ny fisafidianana ny lalam-piofanana sy ny sekoly mifanaraka amin’izany izahay. Manoro azy ny antontan-taratasy rehetra”, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny FIGS Madagasikara, Ialy Rajemisa. Manamora ny fahazoan’ny mpianatra ny “VISA” sy ny famandrihana ny trano hivantanan’ny mpianatra ihany koa ry zareo. Mpianatra manana diplaoma bakalorea ka hatramin’ny BAC + 5, mahay mifehy ny teny frantsay tsara ny fepetra takiana. Tsy misy fifaninana fa amin’ny alalan’ny fifantenana dosie no ahafahana miditra amin’ireo sekoly ambony tsy miankina safidian’ny mpianatra.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *