Socio-eco

FIFANINANANA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY « CODING”: Noresen’ny mpianatra Malagasy tamin’ny isa lavitra be (4.799) ny mpianatra avy any Jordanie (534)


Mahay ny mpianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana. Mpandresy tamin’ny fifaninanana “Orange Digital Center Champions” i Madagasikara. Ny mpianatry ny lalam-piofanana M.I.S.A (Mathématiques, Informatique et Statistique Appliquées), avy ao amin’ny fakiolten’ny siansa, Oniversite Antananarivo no nisolo tena ny firenena malagasy tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena momba ny « coding” ity. Noresen’ny ekipa malagasy, ahitana an’i Ratiarivelo Rayane, Ndimbiarisoa Valdo, Mickaël Todisoa ary i Tsaramanga Jeanny, tamin’ny isa lavitra be (4.799) ny mpianatra avy any Jordanie (534) nandritra ny lalao famaranana, ny 11 janoary 2023. Ny mpianatra avy any any Egypte kosa no nahazo ny laharana fahatelo (104). Noho io fandresena io dia hanamboarana  ivon-toerana sy omena fampitaovana momba ny informatika ary hahazo fiofanana maimaim-poana, mandritra ny taona iray, momba ny teknoljia vaovao ny oniversite misy an’izy efatra mirahalahy. Nankalaza izany fandresana goavana azon’ny ekipan’ny M.I.S.A izany ny Orange Madagascar, ny 17 janoary 2023, ka nanolotra  amboara sy loka ho azy ireo. “Manam-pahaizana ny mpianatry ny M.I.S.A ary manan-talenta ny tanora Malagasy. Anisany antom-pisian’ny Orange Digital Center (ODC)  eto Madagasikara ny famporisihina ny tanora hampitombo ny fahaizany momba ny informatika”, hoy i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Nanamafy izy fa efa tafiakatra 2.500 ny olona nahazo fiofanana maimaim-poana tao amin’ny ODC, momba ny tontolon’ny nomerika. Manosika ny tanora hanangana tetikasa sy hampivelatra izany toy ny fahazoana famatsiam-bola ihany koa ity ivon-toerana ity.

Tsy mena-mitaha

Fifaninanana nokarakarain’ny tambazotran’ny Orange Digital Center MEA tao anatin’ny CAN 2023 ho fampahafantarana bebe kokoa ny talenta momba teknoljia hananan’ireo tanora mpikirakira ny informatika (développeurs) eto Afrika sy Moyen Orient  ny Orange Digital Center Champions ary ho famporisihana ny fiarahamiasa anaty ekipa. Oniversite sy ivon-toerana miisa sivy (9) eto Madagasikara (ASJ Antsirabe, ENI Fianarantsoa, ENI Toliara,  oniversiten’Itasy, ODC Club Fianarantsoa, ESTI, ITU, GSI ary MISA) no nandray anjara tamin’ny fifaninanana nasionaly. Lasan’i ekipan’ny M.I.S.A ny laharana voalohany ka izy no nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Ekipa 15 avy amin’ny firenena eto Afrika sy Moyen Orient no nifaninana  tamin’ny lalao iraisam-pirenena. Mandeha mivantana amin’ny « plateforme » antsoina hoe «CodinGame» ny fifaninanana ka amin’ny alalan’izany ireo ekipa no mamaha ny olana napetraka (laza adina) amin’ny alalan’ny fampiasana « programmation informatique » izay miha sarotra isaky ny dingana. Arakaraka ny isa mamaritra ny fahaizan’ny ekipa  (leaderboard) no mampiakatra azy amin’ny dingana manaraka. “Fitsapana ny fahaizana mamorona, mamaha olana momba ny algorithme, manamboatra programme informatique amin’izay langage de programmation tiana ampiasaina hamahana  ny olana napetraka  ity fifaninanana ity”, araka ny fanazavan’i Ndimbiarisoa Valdo. Nambarany fa tena ilaina ny fifaninanana tahaka itony mba ahafantaran’ny olona fa mahay ny mpianatry ny oniveritem-panjakana ary rehefa miezaka dia tsy mena-mitaha amin’ny hafa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *