« Misedra olan’ny tsy fandriam-pahalemana ny toerana tsy voarakotra tambazotram-piandraisan-davitra sy tsy misy « mobile money », hoy Razafindramalo Tahina, Ministry ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra nandritra ny lanonana fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Orange Madagascar sy NuRAN. Nohamafisiny fa tena ilaina ny teknolojia vaovao  satria lasa zo fototra ny fifandraisan-davitra ankehitriny. Noho ny fiarahamiasa eo amin’ny Orange sy  NuRAN, orinasa kanadiana misehatra amin’ny fametrahana fotodrafitr’asa momba ny fifandraisan-davitra dia tanà na « lavitr’andriana » tsy mbola misy « réseau » miisa 500 no horakofana tambazotra Orange mandra-pahatongan’ny taona 2025. Olona 1 tapitrisa manerana ny Madagasikara no afaka miserasera ankahalalahana, tsy voatery miakatra an-tanan-dehibe noho ny fametrahana ireo tambazotra vaovao ireo. « Tsy afa-misaraka amin’ny andavanandrom-piainan’ny olona intsony ny finday ary anisany andrin’ny fampandrosoana satria afaka misokatra amin’izao tontolo izao sy mikirakira ireo tolotra ara-bola amin’ny alalan’ny mobile money. Afaka mifandray tsy ankiato, mikirakira internet ary mampiasa ny mobile money amin’izay ireo tanà na vaovao ho rakofana tambazotra Orange ireo », hoy Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar. Efa mpiara-miasa amin’ny vondrona Orange amin’ireo firenena eto amin’ny kaontinanta afrikanina ny NuRAN amin’ny maha orinasa misehatra manokana amin’ny fanitarana ny fandrakofana « réseau sans fil » 2G, 3G ary 4G amin’ireo faritra lavitra indrindra. « Ny fiarahamiasa amin’ny Orange Madagascar dia hanampy betsaka amin’ny fanalana ny sakana amin’ny fisitrahan’ny rehetra ny  nomerika », hoy i  Francis Letourneau, Filoha mpitantana ny NuRAN. Ao anatin’ny fanatanterahana ny vinan’ny fitondram-panjakana malagasy ho fampisitrahana ny rehetra ny teknolojia vaovao momba ny fifandraisan-davitra fa indrindra any ambanivohitra  ihany koa ity fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta ity. Tsara ho fantatra fa mandrakotra ny 85 % ny mponina eto Madagasikara ny tambazotra Orange. Manafaingana ny fandrakofana ireo tanà na any ambanivohitra ny orinasa mba ho tanteraka ny tanjony, ho voalohany amin’ny famokarana tolotra nomerika eto Madagasikara, ho fampihanana haingana ny elanelana amin’ny lafiny nomerika sy ahafahan’ny rehetra mikirakira ny tolotra ara-bola.
Ra-Nirina