Mpisehatra miankina sy  tsy miankina amin’ny fanjakana  miasa amin’ny tontolon’ny varotra mahery ny 200 handray anjara amin’ny « forum économique des îles de l’Océan Indien » (FEIOI). Nosafidian’ny fivondronamben’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria ho an’ireo Nosy manodidina ny ranomasimbe Inidiana (UCCIOI) i Antananarivo hampiantrano ity fihaonana ara-toekarena andiany faha-11 ity.  Ny 26 ka hatramin’ny 28 septambra 2018 ho avy izao no hanatanterahina izany.
Fampirantiana
 Hisy ny loabary an-dasy handinihana ny olana manodidina ny fifamoivozana toy ny fitaterana ny entana amin’ny alalan’ny sambo. Tanjona ny hanamorà na ny fivezivezen’ny entana amin’ireo Nosy manodidina ny ranomasimbe Indiana sy ny kontinanta Afrikana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny antenimieran’ny varotra sy indostria Antananarivo, Joséphine Soanorondriaka Andriamamonjiarison  fa hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpandraharaha manodidina ny ranomasimbe Indiana sy ny kontinanta Afrikana sy hanomezana lanja ny rojom-pihariana (chaîne de valeur)  ihany koa no antony hanaovana ity fihaonana fanao isan-taona ity. Ankoatra izany, ho resahana mandritra ny fivoriana ny fomba hanatsarana ny fifanankalozana ara-barotra . Hifandrindan-dà lana amin’ny FEIOI 2018 ny « salon VOATRA ».  Ny tranoben’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo ihany no mikarakara azy ity. Varotra fampirantiana ny vokatry ny orinasa  avy eto Antananarivo sy ireo  faritra hafa eto Madagasikara ny « salon VOATRA ». Handefa solontena  ihany koa ny antenimieran’ny varotra avy  any Maroc, Tunisie handray anjara amin’ny fampirantiana.
Lynda A.