Socio-eco

FIFANAKALOZANA ARA-BAROTRA: Hampihena ny vola sy ny fotoana ny tetikasa “ephyto” sy ny “décisions anticipées”


Nahavita dingana lehibe ho fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra  i Madagasikara.  Noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny « Alliance Mondiale pour la facilitation des échanges” dia  nitsangana  ny tetikasa  “ePhyto” sy ny “decisions anticipées”. Nampahafantarina ny 18 martsa 2021 teny Antaninarenina  ireo tetikasa roa ireo. Ny CNFE (Comité national de Facilitation des Echanges) no misahana izany eto amintsika ary ny USAID no mamatsy vola ny tetikasa. Manamora sy manafaingana ny dingana amin’ny fifanakalozana ara-barotra, manome vahana ny fangaraharahana, ary mampihena ny vola lany sy fotoana lany amin’ny  dingana arahina amin’ny fifanakalozana ara-barotra na amin’ny fanondranana na fanafarana entana ireto tetikasa ireto.

Raha ho an’ny tetikasa « ePhyto » manokana dia ho lasa nomerika ny “certificat phytosanitaire » ampiasaina amin’ny sehatry ny iraisampirenena momba ny zava-maniry sy ny vokatra avy aminy. « Ny certificat phytosanitaireh atreto dia taratasy soniavina any amin’ny ministeran’ny fambolena  miaraka amin’ny anton-taratasy  entina hanondranana entana. Any amin’ny  seranan-tsambo ihany koa ohatran’izay, miaraka amin’ny antontan-taratasy hamoahana entana. Fa amin’ity ePhyto ity afaka mamadika azy ho nomerika ny ministeran’ny fambolena fa afaka mahazo an’io certificat phytosanitaire dematerialisé  io ihany koa any amin’ny toerana fanafarana entana”, hoy ny Tale jeneralin’ny fadintseranana sady filoha mpiara-mitantana ny CNFE, Lainkana Zafivanona Ernest. Araka ny fanazavany hatrany fa fanapahan-kevitra apetraka mialoha ahafahana mametraka dieny mialoha ny fanapahan-kevitra ho raisina amin’ny fanaovana “dédouanement” ny tetikasa “decisions anticipées”.  “Rehefa miha haingana ny procédure, mihena fijanonan’ny entana eny amin’ny sisintany , hisy fiantraikany tsara amin’ny toekarena satria competitif kokoa ny entantsika miondrana any ivelany , mihena ny vola lany ataon’ireo orinasa”, hoy izy.  Ao amin’ny sampan-draharaha ny fadintseranana no hanaovana  “decisions anticipées”.

Ra-Nirina


One comment on “FIFANAKALOZANA ARA-BAROTRA: Hampihena ny vola sy ny fotoana ny tetikasa “ephyto” sy ny “décisions anticipées”

  1. Pingback: FIFANAKALOZANA ARA-BAROTRA: Hampihena ny vola sy ny fotoana ny tetikasa “ephyto” sy ny “décisions anticipées” - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *