Socio-eco

FIER MADA ANDIANY FAHA-24 : Sehatra goavana ho an’ny vokatry ny tantsaha


Mandoha hetra avokoa ireo mpandray anjara. Hita ao amin’ny FIER MADA avokoa ireo vokatra vokarin’ireo tantsaha eto Madagasikara. Eo ihany koa ireo asan-tanana isan-karazany. Misy ireo orinasa mpanodina vokatra sy mivarotra fitaovam-pamokarana. Miisa 450 ireo trano eva amin’ity andiany faha-24 ity izay atao eny kianjan’ny Makis  Andohatapenaka. Nanomboka androany 02 aogositra 2023 ary hifarany ny alahady 06 aogositra 2023. Miavaka ity andiany ity satria tsy misy ny vidim-pidirana mba ho afaka anjifa ireo vokatry ny tantsaha ireo mponin’Antananarivo tsy ankanavaka. « Teo amin’ny roa taona teo no tsy nisy mpitondra fanjakana niaraka nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny FIER MADA », hoy ny filoha sady mpanorina ny hetsika FIER MADA, Jacques Ramanantsoa. Tanjon’ny hetsika ny ahitan’ny tantsaha lalam-barotra ankoatra ny fivarotana ireo vokatra eny an-toerana. « Nitondra ny vokatra avy any aminy ireo tantsaha toy ny avy any antsinanana nitondra karazana episy, ny avy any andrefana indray nitondra betsaka hazandrano, vanila ny avy any avaratra, nitondra ny langouste ny avy any atsimo. Santionany ihany ireo fa betsaka ny vokatry ny tantsaha azo jifaina », hoy izy. Fanararaotana ho an’ny vahoakan’Antananarivo ny FIER MADA hividianana ireo vokatra hita maneran’ny nosy. Nosafidian’ny mpikarakara ny alarobia voaloha’ny volana aogositra hatrany isan-taona ny FIER MADA satria fotoana mety ho an’ny tantsaha hivarotana ireo vokatra ary hiantrehana ny volana septambra hanombohan’ny fotoam-pambolena.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *