Socio-eco

FIANGONANA ADVANTISTA: Mikarakara fizaham-pahasalamana maimaim-poana


Miezaka mandray anjara amin’ny sehatra rehetra ahafahana manampy ny mpiara-belona ny fiangonana ny advantista. Amin’ny vola mey ho avy izao dia mikarakara hetsika ara-panatanjahantena sy ara-pahasalamana ny fiangonana noho ny fiarahamiasa amin’ny minisiteran’ny  fahasalamam-bahoaka sy ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Ho an’ny hetsika ara-panatanjahantena dia miantso ny rehetra handray anjara amin’ny fifaninanana hazakazaka dimy  kilometatra sy 10 kilometatra. Ho atao ny voalohany volana mey 2019 ho avy izao ity fifaninanana ity ka eo anoloan’ny vavahadin’ny kianjaben’ny Mahamasina ny fiaingana. Efa misokatra ny fisoratana anarana ary tsy hifarana izany raha tsy ny daty hanaovana ny fifaninanana. “Mba hisian’ny fandaminana dia manasa ireo mbola hisoratra amin’io fotoana io mba ho avy amin’ny 7 ka hatramin’ny 8 ora maraina eny Mahamasina”, hoy ny tomponandrakitry ny hetsika, dokotera Ratsarasaotra Paul. Nomarihan’ny tomponandraikitry ny tanora ao amin’ny fiangonana advantista, Pasitera Rakotoarimino Norwin fa tsy misy vola aloa amin’ny fisoratana anarana ary misy loka ho zaraina ho an’ireo mpandresy sokajy atleta matihanina sy olon-tsotra.

« Mega expo santé »

Hetsika faharoa karakarain’ny fiangonana advantista ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana. Eny amin’ny Lapan’ny tanana Analakely ny 13 sy ny 14 mey 2019 ho avy izao no hanatanterahina izany. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny departemantan’ny fahasalamana ao amin’ny Advantista, dokotera Rambinintsaotra Sandra fa tolotra enina no ho hita mandritra ny roa andro. Anisan’izany ny fizaham-pahasalamana ho an’ny daholobe, ny fijerena ny aretina momba ny fo, ny tosi-drà sy ny olona mila fandidiana, ny fitiliana ny ati-vava, ny toro-hevitra momba ny voka-dratsy ateraky ny zava-mahadomelina, ny didim-poitra faobe, ny fitiliana ny sokajin-drà sy tsimokaretina VIH/SIDA. Nambaran’i dokotera Sandra fa ezahina ho raisina an-tanana ny fanomezana fanafody ho an’ireo marary sy ireo mila fandidiana haingana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *