Socio-eco

FIANDRIANANA ARA-TSAKAFO SY ARA-BOLA ETO AFRIKA: Hanome sosokevitra ny mpandraharaha kristianina mandritra fihaonamben’ny UNIAPAC Afrika


Hampiantrano ny fivoriamben’ny fikambanan’ny mpandraharaha kristianina (UNIAPAC) eto Afrika   i Madagasikara, ny 27 sy 28 martsa 2025, eny amin’ny Univeristé Catholique de Madagascar (UCM), Ambatoroka. Ho tanterahina mandritra io roa andro io ihany koa ny Fihaonambe ara-ekonomika ho an’ireo mpitantana orinasa sy mpandraharaha kristianina na “Forum économique des dirigeants d’entreprises et cadres chrétiens », andiany fahatelo.  Mpandraharaha kristianina miisa 200, avy amin’ny firenena 15 no ho avy. “Ny orinasa afrikanina  manoloana ny fanamby momba ny fiandrianana ara-toekarena” no lahadinika horesahana mandritra ny hetsika. Lohahevitra maro no voamboasina, toy ny fiandrianana ara-tsakafo, ny fiandrianana ara-bola, ny fiandrianana ara-toekarena, fiandrianana amin’ny lafiny angovo sy ny soa fanararaotra amin’ny fisian’ny  vondrona ara-barotra afrikana (ZLECAF, COMESA, SADC…)

Hivoitra amin’ny famelabelaran-kevitra momba ny fiandrianana ara-tsakafo ny fomba atao irosoana any amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.  Ny fomba hitrandrahana ireo loharanon-karena misy mba iatrehana ny fiovan’ny toetrandro kosa no resahana amin’ny velan-kevitra momba fiandrianana amin’ny lafiny angovo. Handray anjara amin’ny famelabelaran-kevitra ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Hiresaka momba ny fiandrianana ara-bola izy, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny UNIAPAC, sampana Madagasikara, Rajaona Thierry, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 5 martsa 2025, teny Antsahavola. Nambarany fa hizara ny voka-pikarohana nataony momba ny kere any Atsimo sy fahafahana mahaleo ara-tsakafo i Mahantate Paubert, amin’ny maha mpampianatra mpikaroka azy.  Misokatra ho an’ny mpandraharaha, tsy voatery ho kristianina ny hetsika. Asaina  ihany koa ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ho avy hanatrika izany.

Nanamafy i Rajaona Thierry fa sedra ho an’ny fiandrianana ara-toekarena afrikanina ny fanapahan-kevitry ny Filoha Donald Trump, momba ny fanapahana na fampiatoana ny famatsiambola omen’i amerikanina an’i Afrika. Hisy fiantraikany ara-toekarena ihany koa ny mety hisian’ny fiakaran’ny hetra amin’ny fanondranana entana any Amerika. Tapitra amin’ny septambra 2025 ny  AGOA (African Growth and Opportunity), rafitra napetrak’i Etazonia ahafahan’ny firenena afrikanina manondrana entana any aminy, tsy misy haba na “ambaratonga ambany” amin’ny sokajy maro toy ny lamba, fanaka, vokatry ny fambolena…Tafiditra ao anatin’ny AGOA i Madagasikara. “Raha miakatra ny hetra dia mila mametraka paikady sy tetika mafonja  iatrehana izany”, hoy izy. Nambarany fa tokony hahavitan-tena ara-tsakafo i Madagasikara. “Nahoana no mbola manafatra vary, siramamy? Tsy ny tany no tsy misy na ny mpamboly.”, hoy hatrany izy. Hanome sosokevitra ireo mpandraharaha kristianina, mandritra ny fihaonamben’ny UNIAPAC Afrika, amin’ny fomba atao hananana fiandrianana ara-bola, ara-tsakafo, ara-toekarena. Tsy hijanona eo amin’ny fivoriambe izany fa hitohy fanarahamaso ny fanatanterahana ireo ny sosokevitra, araka ny fanazavany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *