Socio-eco

FIANARANA AMBARATONGA AMBONY: Ny fomba hisafidianana ny lalam-piofanana


Manampy ny mpianatra tsy ho diso safidy amin’ny lalam-piofanana hanohizany ny fianarany eny amin’ny ambaratonga ambony ny fahafantarana ny tolotra sy tinady amin’ny tsenan’ny asa. Anisan’ireo lalam-piofanana azo trandrahina, ahazoana asa na hamoronana asa ny lafiny fambolena sy  fiompiana ary ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ny fitsaboana ary ny serasera. Mba hamahana ny olan’ny tsy fananan’asa no antony nanokafan’ny « Universtié Polytechnique d’Avarandrano »  na UPA ny lalam-piofanana « Agronomie », « Paramédicaux » sy « Communication et Multimédia ». « Laharam-pamehana eto amin’ny firenena ny fambolena sy fiompiana satria antoka ahafahan’i Madagasikara  miavotra sy mivoaka amin’ny fahantrana. Sehatra iray ahafahana miantoka ny fahasalamam-bahoaka ny lalam-piofanana Paramed. Miantoka filaminam-bahoaka ny fahatsaran’ny fifaneraserana eo anivon’ny firenana. Mbola malalaka ny tsenan’ny asa amin’ireo lalam-piofanana telo ireo », hoy i  Rakotoson Hobilalaina, Tomponandraikitra misahana ny  fitantanana ny vola sy ny raharaha eo anivon’ny UPA Sabotsy Namehana, nandritra ny famoahana mpianatra andiany fahavalo, ny 27 desambra 2024, teny Sabotsy Namehana.

 Mpianatra miisa 75 no nahazo ny mari-pahaizana Licence sy navoaka  tamin’ny fomba ofisialy  tao amin’ny UPA. Nisalotra ny anarana TARATRA ireo mpianatra avy amin’ny lalam-piofanana Paramed, niofana ho rasazy sy  sy “infirmier”. Nitondra ny anarana JORO ny « Agronomie » ary « AVENIR » ny lalam-piofanana « Communication et Multimédia ». Afaka miasa avy hatrany ireo mpianatra nivoaka ireo, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny oniversite satria ny ampahan’ny betsaka amin’ny fandaharam-pianarana ny fanaovana fampiharana. « Manjaka ato amin’ny oniversite ny fanaovana fampiharana. Ankoatra ny fiarahamiasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka dia manana ferme école eny amin’ny Talata Volonondry izahay hanaovan’ny mpianatry ny Agronomie fampiharana sy fizaran’asa. Torak’izay ihany koa ny lalam-piofanana roa hafa, efa manana mpiara-miombon’antoka izahay hanaovan’ny mpianatra fizaran’asa. Noho izany, vonona amin’ny sehatry ny asa ireo mpianatra mivoaka ato aminay. Misy amin’izy ireo aza efa miasa amin’izao fotoana izao”, hoy i Rakotoson Hobilalaina. Ny volana janoary 2025 no fidirana ho an’ny taom-pianarana vaovao ho an’ity oniversite ao anatin’ny vondrona MASCA ity. Mbola misokatra ny fisoratana anarana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *