Socio-eco

FIAMPITANA AMIN’NY FAMPIHARANA NY AGROECOLOGIE : Mitana anjara toerana lehibe ny fifampizarana traikefa eo amin’ny samy mpisehatra


Lalana iray ahafahana miroso amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny « agroécologie ». Efa maro ny  tetikasa manaparitaka ity fomba fambolena maharitra ity manerana an’i Madagasikara. Betsaka ny voka-pikarohana sy ny traikefa azo momba azy  saingy  mbola voafetra  ny fampidirana azy ao anatin’ny politikam-panjakana. Manoloana izany, mitaky  fandraisana andraikitra sy fifanomezan-tanan’ireo mpisehatra isan-tsokajiny, toy ny mpanapa-kevitra ara-politika, ny tantsaha, ny firaisamonim-pirenena sy ny sehatra tsy miankina ny fiampitana amin’ny fampiharana ny « agroécologie » na « Transition Agroécologique », afohezina amin’ny hoe : TAE. Teboka lehibe tena ilaina  amin’ny TAE ny fanomezan-danja ny fifandraisan’ny  fikarohana sy fampandrosoana ho fanamafisana ny tombontsoa entin’ny « agroécologie ». Izany indrindra no antony ny atrikasa « Interface Recherche et Développement », notanterahana tao Antsirabe ny 20 sy 21 febroary 2025.   Ny GSDM, fikambanan’ireo mpisehatra amin’ny « agroécologie » no  mikarakara ny fikaonan-doha, amin’ny alalan’ny ALEFA ( Accompagner Les Exploitations Familiales Agricoles à la transition agroécologique) – tetikasa manohana  ny famokarana tantanam-pianakaviana hiampita any amin’ny fampiharana ny fomba fambolena maharitra sy ny SANUVA  (Sécurité Alimentaire et Nutritionnelle des ménages agricoles dans la Région Vakinankaratra ) – tetikasa miompana amin’ny fampiroboroboana ny  fahampian-tsakafo sy fanjarian-tsakafo ho an’ireo tantsaha ao Vakinankaratra.

Mpisehatra amin’ny fikarohana sy ny fampandrosoana,  tomponandraiki-panjakana sy sehatra tsy miankina, fikambanan’ny tantsaha sy solontenan’ny tantsaha, mpisehatra amin’ny tetikasa manaparitaka ny « agroécologie » miisa 75 no mandray anjara amin’ny atrikasa. Resahina sy iadian-kevitra mandritra ny roa andro ny tombontsoa entin’ny « agroécologie » amin’ny fahampian-tsakafo sy  fanjarian-tsakafo, ny fivoaran’ny « agroécologie » eto Madagasikara, ny fahitan’ny tantsaha sy ny mpiantsehatra tsirairay ny fampiharana ny fomba fambolena maharitra eto Madagasikara, ao anatin’izany ny sakana sy ny vahaolana hamahana izany. « Fampihaonana ny fikarohana sy ny fampandrosoana ankapobeny ity atrikasa ity. Marobe ny asa mivoaka amin’ny fampandrosoana. Matetika ny zava-mitranga dia tetikasa iray iny ihany no mifampizara ao anatiny ao. Ny tanjona amin’ity dia miezaka mifampizara ny zava-misy sy ny traikefa azo tao anatin’ny taona vitsivitsy nanaovana ny tetikasa ny mpiantsehatra rehetra », hoy i Raharison Tahina, Tale Mpanatanteraky ny GSDM. Nambarany fa vaindohan-draharahan’ny fanjakana  ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ka fomba famokarana maharitra ara-tsakafo ny fifindrana  mankany amin’ny fampiasana ny « agroécologie ».

Mampihena ny fandaniana eny an-tsaha

Fitambarana teknikam-pambolena  mampiakatra ny tahan’ny vokatra kanefa miaro amin’ny fahasimban’ny tany sy ny fahasimban’ny ala ny « agroécologie ». Tsy adino fa fomba fambolena  ahafahana miatrika ny fiantrainkan’ny fiovan’ny toetrandro, toy ny tsy fahampian-drano. Santionany amin’ireo fomba ampiasaina  ny ala vadim-boly (agroforesterie) na fampiarahana fambolena  maro (hazo, legioma, voankazo sy/na ao anatin’ny vanim-potoana iray ; ny fifampidimbiasam-boly an-tanety izay manampy amin’ny fanjarian-tsakafo ; ny  fampiasana voly rakotra (mucuna, stylosanthes, cajanus…) izay mamerina tsiron’ny tany na manamasaka ny tany. Mampihena ny fiasana  tany sy fampiasana zezika simika fa indrindra ny  fandaniana  ihany ity fomba famokarana ity.  Tahaka an’i Ramanamilanto Arsène, tantsaha mpampiofana momba ny agroécologie, avy ao amin’ny  fikambanan’ny tantsaha KOTAMI, mpikambana ao amin’ny VFTV FIFATA dia nanomboka ny taona 2019 izy no resy lahatra tamin’ny fampiharana ny teknika. Fambolena voatabia no nampiharany azy. « Nampiasa zezika simika aho taloha. Milanja eo amin’ny 200 kg ny zezika sy urée ampisaina amin’ny tany roa ara ary mahazo vokatra dimy taonina. Somary nihena vokatra tamin’ny voalohany nialana tamin’ny simika satria tsy ampy ny fahalalana tamin’ny agroécologie, nidina telo taonina teo. Rehefa  nahazo traikefa miandalana teny  aho dia miabo ilay vokatra satria niverina dimy taonina sady  lavalava ny fotoana azo hitehirizana ny vokatra, manatombo 15 andro.  Mahavita hatramin’ny fito volana   eo raha tongolo rehefa ampaisaina ny fomba fambolena maharitra. Efa-bolana aorian’ny fiotazana dia tsy maintsy alefa amidy raha mampiasa simika fa raha tsy izany dia loa », hoy izy nandritra ny atrikasa « Interface Recherche et Développement). Nanamafy izy fa manomboka milamina ny fiainana an-tokantranony satria mihena ny fandaniana ampiasaina eny an-tsaha. Zezika namboarina tamin’ny alalan’ny fitambarana zava-maniry ny tephrosia, lavenona, zezika kankana sy rano tain’omby no nasolo ilay simika no nampiasainy, araka ny fanazavany. Marihina fa nivoitra nandritra ny atrikasa fa tsy ampy hanafahana ny fahantrana, hamahana  ny tsy fahampian-tsakafo sy tsy fanjarian-tsakafo ny « agroécologie » fa mila jerena akaiky ihany koa  ny resaka foto-drafitrasa, ny fananantany, tsenam-barotra…

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *