Sport

FIADIANA NY AMBOARA ERANTANY TARANJA BASKETBALL: Ho alefan’ny CANAL+ ireo lalao manontolo ho ataon’ny Ankoay


Hiatrika lalao anankiroa ho fiadiana ny amboara erantany ho an’ny taranja basketball ny ekipam-pirenena malagasy (Ankoay). Hotanterahina ny 30 Mey ka hatramin’ny 4 jona 2023 any Vienne -Autriche ny lalao basketball ataon’olona telo na FIBA 3X3.  Ny 24 jona ka hatramin’ny 2 jolay 2023 any Debrecen-Hongrie kosa no hanaovana ny FIBA U19 sokajy lehilahy. Nanavao ny fiarahamiasany amin’ny Federasiona Malagasy ny BasketBall (FMBB) ny CANAL+. Amin’ny maha mpanohana  «Gold» azy dia handefa ny lalao manontolo ho ataon’ny Ankoay mandritra FIBA 3X3 sy ny FIBA U19 ny Canal évènement (chaîne 19). «Miantso antsika rehetra hanohana ny ekipam-pirenena malagasy izay hiady ny voninahitr’i Madagasikara», hoy i Razafindrakoto Onjatiana, tale Jeneralin’ny CANAL + Madagasikara, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 25 Mey 2023 teny Andraharo. Ankoatra ny fandefasana ny lalao fiadiana ny amboara eratany ho an’ny BasketBall dia handeha ao amin’ny Canal 19 ihany koa ny fandaharana «CANAL+ M’korana»  manomboka ny 15 ka hatramin’ny 30 jona 2023. «Isan-taona ny CANAL+ dia miara-mankalaza amin’ny vahoaka malagasy ny fetim-pirenena malagasy izahay amin’ny alalan’ny fandefasana ny CANAL+ M’korana. Miara-miasa amin’ny orinasa mpanokatra fandaharana izahay ho fanandratana ny vokatra malagasy. Mba ahafahan’ny Malagasy rehetra manaraka ny fandaharana CANAL + M’korana sy manohana ny ekipam-pirenena dia 50.000 Ariary monja ny décodeur miaraka amin’ny tolotra Access», hoy i Razafindrakoto Onjatiana. Nanamafy izy fa fandaharana 100 % amin’ny fiteny malagasy no alefa ao amin’ny CANAL + M’Korana ary ahitana sarimihetsika, fandaharana momba ny sakafo natokana ho an’ny fety, tantara mampihomehy iarahana amin’ny Tsiky Tsidika, mozika…

Fandaharam-potoana

 Nambaran’i Rason Pascal, tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny FMBB fa taorian’ny naha tompondaka an’i Madagasikara tamin’ny Afrobasket ny  taona 2022 dia hiatrika ny lalao fiadiana ny amboara erantany any Autriche ny Ankoay. Firenena 20 no mandray anjara amin’ny lalao, mizara ho vondrona 4 ka misy ekipa 5 isaky ny vondrona. Ao anatin’ny vondrona misy an’i Madagasikara ny ekipan’i Lafrantsa, Brésil, Allemagne ary Serbie. Ny 30 Mey no hifandona amin’ny ekipan’ny Serbie i  Madagasikara. Amin’io andro ihany koa no atao ny lalao iarahan’ny Ankoay amin’i Allemagne.  Ny 1 Jona kosa no hifandona amin’ny Brésil sy France ny ekipam-pirenena malagasy, araka ny fandaharam-potoana. « Efa nanoman-tena nandritra ny tapa-bolana tany amin’ny ivon-toerana “3 contre 3 Academy” ao Serbie ny ekipan’ny Ankoay. Hiala ao Serbie izy ireo ny 28 Mey 2023 ary hamonjy an’i Vienne», hoy hatrany i Rason Pascal. Raha ny fandaharam-potoana ho an’ny FIBA U19 sokajy lehilahy indray dia hifandona amin’ny ekipan’i Etazonia i Madagasikara ny 24 Jona. Hihaona amin’ny ekipan’i Liban ny 25 Jona ary ny miaraka amin’ Slovenie ny 27 Jona 2023.

Lynda A/ Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *