Socio-eco

FIA ANDIANY FAHADIMY: Mizara traikefa momba ny teknikam-pambolena « agroécologie » sy fambolena biolojika ny GSDM sy SYMABIO


Miaro tontolo iainana, mitombo ny vokatra, mihena ny fampiasana akora simika, manatsara ny tsiron’ny tany. Anisan’ireo tombontsoa amin’ny fampiharana « agroécologie » ireo. Fitambarany teknikam-pambolena ny « agroécologie » na fomba fambolena maharitra. Mahazo tombony ireo mpitsidika ny foara iraisampirenena ho an’ny fambolena sy fiompiana ary jono (FIA), andiany satria manazava misimisy kokoa momba izany ny GSDM, mpisehatra  matihanina amin’ny « agroécologie ». Nanomboka 21 septambra 2023 ny FIA ary hifarana ny alahady 24 septambra 2023, eny amin’ny HazoVato Forello Expo Tanjombato. Eny amin’ny trano heva natokana ho an’ny tetikasa mifandray amin’ny fiarovana tontolo iainana (écoresponsable), laharana E6 no misy ny GSDM. Santionany amin’ny teknika atao amin’ny « agroécologie » ny fampivadiamboly, fifandimbiasamboly, ny voly rakotra (fambolena zava-maniry  toy ny mucuna, stylosanthes sy ny maro hafa ho famerenana ny tsiron’ny tany).

Amin’ny alalan’ny tetikasa KCOA-KHEA izay fampidirana ny fambolena biolojika amin’ny sehatry ny fambolena amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana sy eto Madagasikara no andraisan’ny GSDM anjara amin’ny FIA.  Sendika Malagasy misahana ny fambolena biolojika eto Madagasikara ny SYMABIO. Anisany miara-misalahy amin’ny GSDM amin’ny fanatanterahana  ny tetikasa KCOA-KHEA eto Madagasikara izy. « Manangona ireo fahalalana, antontam-baovao, traikefa momba ny fambolena biolojika; manaparitaka izany ary  manangana tambazotra ho an’ireo rojo-pihariana mifandray amin’izany no sahan’asan’ny tetikasa », hoy i Razaka Mireille, Tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny GSDM. Mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny  tetikasa Prosol, tohanan’ny GIZ ihany koa ny GSDM. Fampidirana ny « agroécologie » anaty fandaharam-pianarana no iantsorohany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *