Socio-eco

FETIN’NY RENY: Hanomboka ny 1 jona ka hatramin’ny 4 jona ny Grande Braderie de Madagascar


Iharan’ny fihenambidy manomboka amin’ny 15 % ireo entana amidy mandritra ny Grande Braderie de Madagascar (GBM) ho fitsinjovana isan-tokatrano noho ny fiakaran’ny vidim-piainana. Anisany mampiavaka ny hetsika hatramin’izay ary andrasan’ny mpankafy GBM rahateo io fihenam-bidy io, araka ny fanazavan-dRamatoa Ramanantsoa Harilala, mpikarakara ny hetsika. Ny 1 jona ka hatramin’ny 4 jona ho avy izao no hanatanterahana ny GBM ho fanamarihana ny fankalazana ny fetin’ny reny. Trano heva miisa 100 no hijoro eny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina mandritra ity andiany ity. « Karazan’entana maro toy ny sakafo, akanjo fitafy, lamaody, kojakojan-dakozia, kojakoja momba ny fiara sy ireo entana azo atao fanomezana ho an’ny reny no ho hita mandritra ny hetsika. Noho ny fiakaran’ny vidim-piainana sy noho ny fahatsapana fa marefo dia marefo ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano dia iharan’ny fihenam-bidy farafahakeliny 15 % ireo entana amidin’ny mpandray anjara. Ho arahimaso sy ho tandrovana tokoa io fihenam-bidy io », hoy hatrany ny Tomponandraikitry ny Mada Vision. Namory ireo mpandray anjara ny mpikarakara ny 24 mey 2023 teny amin’ny kianjan’ny Barea ho fanomanana ny hetsika sy fampatsiahivana fa ho arahimaso ny vidin’entana mandritra io 4 andro io.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *