Manana tolotra ho an’ny fetin’ny Paka ny StarTimes. Raha manampy 5.000 Ariary ireo mpanjifa mampiasa ny bouquet BASIC sy SMART (amin’ny vidiny 28.000 Ariary) rehefa manao « réabonnement » dia misitraka ny bouquet ambony na ny CLASSIC sy SUPER (amin’ny vidiny 50.000 Ariary) mandritra ny 30 andro. Raha mandoa «réabonnement» roa volana ny mpanjifa mampiasa BASIC sy SMART dia afaka mihanoka avy hatrany ny fandaharana mandeha amin’ny CLASSIC sy SUPER mandritra io fotoana io. Mahazo 10 andro fanampiny maimaimpoana kosa ireo mpanjifan’ny CLASSIC sy SUPER raha manao «réabonnement» roa volana.
Ankoatr’izany, ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa dia lasa efatra (4) ny tantara mitohy filipianina sy «turque» nandika amin’ny teny gasy, mandeha ao amin’ny GasyStar sy UPTV. « Telo ny novelas vahiny voadika amin’ny teny gasy nandeha teto amin’ny Startimes teo aloha. Marihina fa ny Statimes no nampiditra voalohany teto Madagasikara ny horonantsary mitohy nadika tamin’ny teny malagasy », hoy i Randrianarivony Nantenaina, tomponandraikitry ny fifandraisina amin’ny daholobe sy ny serasera eo anivon’ny Startimes Média Madagascar, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 10 aprily 2025, teny Andranobevava. Miara-miasa amin’ny trano mpamokatra fantan-daza ny orinasa amin’ny fandikana ireo horonantsary vahiny amin’ny fiteny malagasy, araka ny fanazavany hatrany. Nanamafy ihany koa i Florence Zhu, Tale ara-barotry ny StarTimes eto Madagasikara fa nampiditra «chaîne » avy eto an-toerana miisa telo: MATV, FREETV sy GTV. « Samy manana ny mampiavaka ireto fahitalavitra ireto. Araka ny hahafantarana azy dia chaîne voalohany tsy miankina amin’ny fanjakana nitsangana teto Madagasikara ny MATV. Manome lanja ny kolontsaina kosa ny FREETV ary fahitalavitra ara-panabeazana sy ara-pivavahana ny GTV », hoy i Randrianarivony Nantenaina. Efa nanomboka ny volana novambra 2024 ireto fahitalavitra ireto no tao anatin’ny bouquet Startimes.
Ra-Nirina