Socio-eco

FETIN’NY NOELY: Teo anilan’ireo zaza marary any amin’ny hopitaly ireo mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Orange Madagascar


Nizara hafaliana ho an’ireo zaza marary manerana an’i Madagasikara ny fikambanana Orange Solidarité Madagascar. Nanolotra fanomezana ho an’ny fetin’ny noely ny fikambanana ho fanamarihana ny volan’ny firaisankina. Nanomboka ny 21 desambra  2023 dia mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Orange miisa 100 no niray hina nankeny anivon’ny ireo sampandraharaha misahana ny zaza marary eny amin’ny hopitaly, manerana ny Nosy ho fizarana hafaliana sy fampaherezana an’ireo zaza miditra hopitaly. Ho an’ny teto Antananarivo, nanolotra kilalao sy  odiambavafo ho an’ireo zaza tsaboina ao amin’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza Ambohimiandra, hopitalin-jazakely Tsaralalana ary ny sampandraharaha misahana ny zaza eny amin’ny HOMI ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Nizara fanomezana toy ny kilalao sy odiambavafo ho an’ireo zaza miditra hopitaly tao Maintirano, Nosy Be, Mahajanga, Manakara, Toamasina ary Ambanja ihany koa izy ireo. Zaza marary 1000 mahery ny fitambaran’ireo zaza nahazo tombontsoa tamin’ny hetsika. Sady faly izy ireo no feno hafaliana ihany koa ireo ray amandreny noho izao hetsika firaisankina izao. Nanamafy ny Filohan’ny Orange Solidarité, Arson Benja fa zavadehibe ny mizara sy ny firaisankina rehefa fetin’ny noely sy farany taona.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *