Socio-eco

FETIN’NY NOELY: Misesy lany ny fizaràna fanomezana


Amin’izao fetin’ny noely izao, nahatsiaro ireo ankizy sahirana ao amin’ny fokontany misy ny orinasany  ny “Vima real Estate” (VRE).  Isan-taona, mizara hafaliana ho an’ireo ankizy ao amin’ny fokontany Ankorondrano Andranomahery izay  foiben-toeran’ny orinasa sy  ireo ankizy ao amin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka ny Vima. Nozaraina ny 18 desambra 2018 tao amin’ny biraon’ny kaominina ny anjaran’ireo ankizy miisa 200 avy ao Ambohibao. Tamin’io andro io saingy tao  amin’ny “Explorer  Business Park” Ankorondrano no nanolorana ny fanomezana ho an’ireo ankizy miisa 300 avy amin’ny fokontany Ankorondrano Andranomahery. Nanatrika ny fotoam-pizaràna ny solontenan’ny VRE, ny  ben’ny tanàna ny kaominina Ambohibao Antehiroka ary ny lehiben’ny fokontany Andranomahery.

Nohamafisin’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Vima fa nanolotra ny hazo noely ho an’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra ny  orinasa. Hetsika fanao isan-taona izy io mba handravahana ny lapan’ny tanàna sy ho fanamafisana ny fiarahamiasa  ny roa tonta. Ampatsiahivina ihany koa fa efa nisy ny fizaràna fanomezana ho an’ireo ankizy an-jatony tamin’ny herinandron’ny 10 desambra 2018. Ireo ankizy sahirana ao amin’ireo boriborintany enina no nahazo izany. Mirary fetin’ny noely sy fetin’ny faran’ny taona sambatra ho an’ny rehetra sahady ny VRE sy ny ekipany.

Lynda A.


One comment on “FETIN’NY NOELY: Misesy lany ny fizaràna fanomezana

  1. Pingback: FETIN’NY NOELY: Misesy lany ny fizaràna fanomezana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *