Socio-eco

Festival Diniky : Hanetsiketsehana ny hery velona rehetra


Miditra amin’ny andiany faharoa ny « festival Diniky » . Ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Befandriana Avaratra, faritra Sofia no hanatanterahana ity hetsika karakarain’ny ACPE (Association pour la coutume et la protection environnementale) ity. « Noho ny zavatra nisy teto Befandriana Avaratra toy ny raharaha Antsakabary dia nanapa-kevitra ny fikambanana mba hanao hetsika hampandrosoana ity ny faritra ity mba tsy hisian’ny tranga toy ireny intsony », hoy ny Filohan’ny fikambanana ACPE, Andriamatoa Marcellin. Ny 30 aogositra hatramin’ny 2 septambra 2018 ao amin’ny Stade municipal Befandriana Avaratra ny toerana voatondro hanaovana ny « festival diniky » andiany faharoa.

Kalitao

Tanjon’ny hetsika ny fandinihana ny fampivoarana ny Befandriana Avaratra amin’ny lafiny kolontsaina sy toe-karena. Amin’ny alalan’io dinika io no hananganana drafi-pampandrosoana ho an’ny Befandriana Avaratra sy hanetsiketsehana ireo hery rehetra eto amin’ny distrika amin’ny fanantanterahana izany, hoy i Marcellin. Ankoatra ny famelabelarana arahina adi-hevitra dia hisy ihany koa ny fampirantiana ireo vokatra mampiavaka an’i Befandriana Avaratra. Nambaran’ny filohan’ny ACPE hatrany fa anisany manana vokatra tsara kalitao ity distrika ity. Santionany fotsiny ny tahan’ny « vanilline »ao amin’ny lavanila iray. Ambony be io taha io noho ny fisian’ireo tendrombohitra izay taratry ny rivotra mafana sy mangatsiaka ka manatsara ny fenitry ny fitomboan’ny zava-maniry (synthèse chlorophylienne).

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *